16 jolay — Tsaroana amin’ity andro ity i Marie-Madeleine Postel. Mpanorina ny fikambanana ny Soeurs des Ecoles chrétiennes de la Miséricorde izy io ka ny 1500 amin’ireo relijiozin’ny fikambanana dia mitondra ny anarany.

Teraka tao Barfleur ny taona 1756 i Marie-Madeleine Postel. Tao aorian’ny fianarana nataony tao amin’ny bénédictines de Valognes dia nanorina sekoly izy ny 1774 ary nisy ihany koa kilasy mandry izay nandraisana mpianatra maro. Nanampy ireo pretra izy, nandritra ny revolisionina, tamin’ny fanaovana ny Sorona Masina miafina ary izy irery no nahazo alalana hizara kômonio ho an’ny marary.

Ny taona 1807 nankany Cherbourg izy mba hanorina fikambanana relijiozy hanabe ny zazavavy. Nandray ny anarana hoe Marie-Madeleine tamin’izay izy, raha Julie no anarany teo aloha, ary nitantana ny fikambanana mandram-pahafatiny teo amin’ny faha 90 taonany.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...