28 jona — Teraka nanodidina ny taona 120 tao Asie Mineure i Masindahy Irenée ary tao no nandaniany ny fahazazany. Tamin’ny fahatanorany no nahalalany an’i Masindahy Polycarpe eveka tao Smyrne ary lasa mpianatra mahafatra-po an’ity eveka ity izy. Nohajainy tokoa io mpampianatra azy io, nandalina fatratra ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin’ny Apôstôly izy ary tena niaina izany.

Maro ireo boky masina nosoratan’i Masindahy Irenée, ary ny tena nanamarika ny asa-sorany dia ireo nanohita ny fampianaran-dison’ny gnosticisme, ary maro ireo hevitra notovozin’ireo mpikaroka nandritra ny taona nifandimby hatramin’izay ka hatramin’izao tao amin’izany asa soratr’i Masindahy Irenée izany. Mpianatra malalan’i Polycarpe i Irenée ary azo lazaina fa izy ihany koa no fanantenana sy hafalian’ny kristianina rehetra. Niroborobo sy niredareda tao amin’i Irenée ny ho iraka ary nalefan’i Polycarpe ho misionera tany Roma izy, avy eo nanampy an’i Pothin evaka tao Lyon izay efa zoky olona. Na dia mafy tamin’i Polycarpe aza ny fisarahana tamin’i Irenée dia asa fitoriana hitondra voka-tsoa ny iraka nampanaoviny an’i Irenée, satria izy no nanavotra ny Fiangonana Tandrefana.

Nisy fanenjehana mahery vaika ny kristianina tamin’izany fotoana izany tao Lyon ka maty martiry niaraka tamin’ireo kristianina maro i Pothin eveka tao. Nihevitra ireo mpanompo sampy fa levona niaraka tamin’ny ran’ireo zanany latsaka ny Fiangonana tao Lyon. Noho ny fanendrena naton’ny papa Eleuthère nefa dia i Irenée no nandimby an’i Pothin teo amin’ny fiketrahan’ny eveka tao Lyon. Velona indray ny Fiangonana tao noho ny vavaka sy ny fampianarana ary ny famporisihana sy ny fantentanana nataon’i Irenée. Na dia misy aza ny fanejehena dia nomen’Andriamanitra fotoana izy hanatanteraka ny asa nanirahana azy. Ny taona 202 manko niverina indray ny fanenjehana kristianina ary tsy afa niala tamin’izany ny Fiangonana tao Lyon izay efa vonona hiatrika izany fanenjehana izany. I Irenée ilay namerina sy namelombelona ny finoan’ny kristianina tao sy nanoro azy ireo ny lanitra tamin’izay fotoana izay no nosamborin’ireo mpanenjika voalohany, ka maty martiry. Maro ny anarana niantsoana sy nanajana izany olomasina izany toy ny hoe : “mpitory ny Vaovao Mahafaly na hoe fanilon’ny finoana.”

Maro ireo asa soratr’i Masindahy Irenée ary anisan’ny fanta-daza tamin’izany ilay hoe “Adversus haereses”, nentina nanoherana ireo gnostiques sy nihezahany ihany koa nampibebaka azy ireo tamin’ny teolojia tsotra sy mazava dia ny hoe “ny tenin’Andriamanitra, noho ny fitiavany lehibe anareo, no nahatonga azy ho toa antsika mba ho lasa toa azy koa isika”. Tsy nataon’i Irenée ambanin-javatra ihany koa ny fanehoana ny lovam-panahy avy amin’ireo Apôstôly amin’ireo asa sorany. Nisy boky kely izay nantsoina hoe “Démostration de la prédication apostolique” sy ny hoe “Il n’y a pas de Dieu sans bonté”. Araka ny filazan’i Masindahy Grégoire de Tours dia nalevina tao ambany otelin’ny bazilikan’i Masindahy Jean i Irenée. Taty aoriana dia nitondra ny anaran’i Masindahy Irenée io fiangonana io. Fa tamin’ny taona 1562 dia naparitak’ireo calvinistes ny reliques tao amin’izany fiangonana izany. Voalaza fa i Irenée dia olon’ny fiombonana sy ny fiadanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...