21 jona — I Masindahy Louis de Gonzague dia teraka tao Castiglione ny 9 marsa 1568, zanak’i Ferdinand Ier Gonzague sy i Marta Tana de Santena i Louis. Zaza voalohany izy ary ny reniny no tena niandraikitra ny fanabeazana azy ara-panahy. Mpino katôlika mafana fo ny fianakaviany ary maro ireo eveka sy kardinaly nipoitra avy amin’izany fianakaviana izany.
Ny 20 aprily 1568, izany hoe iray volana mahery kely tao aorian’ny nahaterahany no natao batemy i Louis. Ohatra ho an’ny fianakaviany i Louis amin’ny fanginana sy ny fitoniana, indraindray aza izy dia tsy hita tampotampoka eo, hay mamonjy toerana mangina dia mandohalika ary manambatra ny tanany. Naniry ny reniny mba hanoka-tena ho an’Andriamanitra i Louis fa ny rainy kosa nihevitra hoe ho miaramila izy. Nanamboarany fanamiana miaramila i Louis dia nomeny fitaovam-piadiana mety hifanahantsahana amin’ny taonany ary nizatra nanao izany fihetsika miaramila izany. Ny taona 1577 dia nalefa-ndrainy tany Florence i Louis sy i Rodolphe rahalahany. Nianatra ny fiteny latina sy ny toscane i Louis tao, ary niady mafy tamin’ny toetra ratsiny izay tsapany, toy ny hoe ny fahatezerana, ny tsy faharetana, ny fahasorenana anaty. Nanampy azy hitia sy hanaja an’i Masina Maria Renin’Andriamanitra ny famakiana ny boky momba ny rozery tamin’izany fotoana izany. Mbola tsy hainy loatra manko ny manao ny vavaka tora-po. Tao amin’ny fiangonan’ireo Servites, nanoloana ny ôtelin’i Masina Maria na hoe Vierge de l’Annonciation no nanaovan’i Louis ny voadin’ny fahadiovana mandrakizay, mbola 9 taona monja izy tamin’izany, ary tamin’izany nanomboka nanao ny famolahan-tena sy fampijalian-tena mba tsy ho azo ny fakma-panahy. Ny fihaonany tamin’ny kardinaly Charles Borromée no nandraisany ny Kômonio voalohany ny 22 jolay 1579. Nandritra ny famakiana ny boky sy ny fandalinana nataony samy irery no nahalalany ny Fikambanan’i Jesoa, maro koa ny fikambanana pretra nolalovany, nandritra izany fivezivezena izany, toy ny Capucins sy ny Barnabites. Ny 1581 àry, nalefan-drainy tany amin’ny lapan’i Philippe II tao Espagne i Louis mba hiara-miasa amin’ny tompomenakely. Tsy afa-po tamin’ny fiainana tao izy noho ny rendrarendra sy ny fitsipi-pitondran-tena toa goragora ka nanao asa fibebahana mafy izy mba iadiana amin’izany fitondra-tena izany.
Ny taona 1585 tsapany nihamatotra ny fiantsoan’Andriamanitra azy ho relijiozy ka nikasa hiditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa izy, ny 2 novambra 1585 no nanaovany ny taratasy handà ny fandovana eo amin’ny fanjakana, ka nanolorany izany an’i Rodolphe zandriny, ny 4 novambra tamin’io taona io izy no nihazo an’i Roma, nandalo tao Lorette mba hanatanteraka ny voadin-dreniny tamin’ny fotoana nahaterahany. Ny 25 novambra 1585 izy no tao amin’ny novisian’ny Fikambanan’i Jesoa, Saint-André du Quirinal. Ary tamin’izany no nanononany ny voady voalohany, 19 taona izy tamin’izay. Avy eo nanohy ny fianarana ambony tao amin’ny sekoly romanina ka i Robert Bellarmin no mpitantana azy am-panahy. Ny taona 1591 àry, nanenika an’i Roma ny valan’aretina pesta, ry zareo tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa no nitsabo sy nikarakara, nandray an-tanana ireo mararin’ny pesta ireo. Tamin’izay i Louis no nibaby ilay mararin’ny pesta iray izay ka nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana Saint-Sixte sy Santa Maria della Consolazione ary nandritra izany koa no nahazoan’i Louis ny aretina, ka nilazany fa afaka herinandro izy no hiala sasatra any amin’ny mandrakizay. To tokoa izay nambarany, ny 21 jona 1591 izy no nodimandry teo amin’ny faha-23 taonany. Nalevina tao amin’ny cripta Annunziata i Louis de Gonzague ary 7 taona tao aorian’izay dia nozaraina tamin’ny olona sy ny fiangonana ny reliques noho ny tondra-drano tao Tibre. Ny sasany moa dia napetraka tamin’ireo fiangonana maro. Ny papa Benoît XIII no nanangana azy ho olomasina 26 aprily 1726 ary nambara ampahibemaso izany ny 31 desambra 1726. Ny 21 jiona 1825 kosa no nambaran’i papa Pie XI fa mpiaro ny tanora kristianina i Louis de Gonzague.