11 jona — Raha ny filazan’ny Asan’ny Apôstôly, i Barnabé dia Jody avy amin’ny fokon’i Lévi. Teraka tao Chypre izy io tamin’ny fotoana nanjanahana ny Jody tamin’ny vanim-potoanan’i Alexandre le Grand. Nobeazina tao amin’ny kolontsaina grika i Barnabé.

Tonga tao Jerosalema izy ary anisan’ireo kristianina tao amin’io Fiangonana voalohany araka izay voalaza ao amin’ny Asan’ny Apôstôly toko faha-4 : “nisy levita anankiray atao oe Josefa nomen’ny Apôstôly anarana hoe Barnaba, izany hoe avanana amin’ny fampaherezana. Teraka tany Sipra nana-tany izy ka namidiny dia nentiny ny vidiny sy napetrany teo an-tongotry ny Apôstôly”. Izay no voalaza ao amin’ny Asan’ny Apôstôly.

Voalaza ao amin’ireo tahirin-kevitra fa nivelona tamin’ny herim-pony i Barnabé nandritra ny asa fitoriana nataony. Fa ankohatra izay dia toa hoe nandalina ny Torah tany amin’ny sekolin’i Gamaliela i Barnabé, ary tany no nihaonany tamin’i Saoly, ilay lasa Paoly Apôstôly tany aoriana. Nirahin’ny Apôstôly nankany Antioche i Barnabé. Avy eo izy sy i Paoly namita iraka tany Chypre, nanohy an’izany tany Galasia, tonga tany Pergé, Antioche sy Pisdia, Komniome, Litra... ary avy eo dia niverina tany Antioche. Nanatrika ny kônsily tao Jerosalema ihany koa i Barnabé niaraka tamin’i Jude sy i Silas. Ary nitondra ny fanapahan-kevitra tao anatin’izany kônsily izany niverina tany Antioche. Niaraka tamin’i Jean-Marc i Barnabé avy eo ary niverina nankany Chypre. Voalaza fa maty martiry i Barnabé.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...