18 aprily — I Masindahy Parfait dia ilay pretra martiry tao Cordoue tany Espagne. Fiangonana iray nantsoina hoe Saint-Ascicle, tao amin'ny tananan'i Cordoue tany Andalousie no notantanan'i Parfait.

Fantany tsara fa mety hihatra aman'aina ny fampibebahana ireo musulmans tao amin'ity tanana ity, nefa nikiry izy, tsy niafina tamin'ny fanehoana ny finoana. Nisy musulmans roa nifanena taminy, efa mahamahina ihany i Parfait tamin'ny fihetsik'izy ireo. Nanatona azy izy ireo ka nanontany hoe : "Ahoana ny hevitrao momba an'i Mahomet sy i Jesoa ?" Tsy nisalasala i Parfait nilaza fa "I Jesoa irery ihany no Mpamonjy", fa nambaran'i Parfait tamin'izy roalahy ireto hoe : "Ny momba an'i Mahomet, tsy ho lazaiko sao mahatezitra anareo." Niseho ho tsotra izy roalahy ka nilaza hoe : "Lazao fa mba te hahalala izahay ! Izahay tsy haninona anao !". Nambaran'i Parfait tamin'izy ireo àry, fa "I Mahomet dia mpaminany sandoka, ary raha te hovoavonjy ianareo dia tsy maintsy mandà an'i Mahomet".

Dia lasa izy roalahy nadeha, navelany hody soa aman-tsara i Parfait tamin'izay. Andro vitsivitsy tao aorian'io dia notorian'izy ireo tany amin'ny manam-pahefana i Parfait, ka nosamborina, ary niakatra fitsarana arabo ka voaheloka ho faty. Mbola nambaran'i Parfait ampahibemaso ihany anefa ny heviny momba ny Coran sy i Mahomet. Talohan'ny nanapahana ny lohany ny 18 aprily 850, dia nambarany tamin'i Mompera Igniacio de la Meza, fa nandritra ny torimasony dia nisy anjely niseho taminy ary nilaza hoe : "Satria ianao nolavin'ireo masiaka, dia avy amin'ny vavanao ihany no handavoana ireo tsy mba manam-po mitempo ireo". Teo imason'io pretra io no nanapahan'ireo musulmans ny lohan'i Parfait. Voalaza fa amin'izao fotoana izao dia mbola mitohy hatrany ny fanajana an'i Parfait ao amin'ny Cathédrale de Paris isaky ny 18 aprily.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...