12 aprily — Ny Masindahy Jules resahana amin'ity andor ity dia ilay papa tamin'ny taonjato fahefatra. Jules Voalohany no nahalalana aza, teraka tao Roma ny taona 280 ary nandray ny Fiketrahana Masina ny 06 febroary 337 hatramin'ny 12 aprily 352. Izy no papa faha-35.

Hentitra sy mahay mandray olona i Jules. Niaro an'i Masindahy Athanase tao Alexandrie tamin'ny ariens sy ny mpanohitra ny fampianaram-pinoana niseanina izy. Nanao ny sinaody tao Roma ho fanoherana ny arianisme izy, ary nanentana ny fivoriana ho an'ny Kônsily tao Sardique tamn'ny taona 342. Izy no nanorina tao Roma ny bazilikan'ny Apôstôly 12, nantsoina tamin'izany fotoana izany hoe "Basilca Iuliana".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...