28 marsa — Ny ankamaroan'ny tetiandro dia manonona an'i Masindahy Gontran ho an'ity andro anio ity. Mpanjaka tao Bourgogne izy io, maty tamin'ny taona 592. Zafikelin'i Clovis sy Clotilde izy, ary i Clotaire Voalohany no rainy. Rehefa maty ny rainy dia izy no nandray ny fanjakana tao Bourgogne sy Orléans ary nitoetra tao Chalon-sur-Saône.
36 taona izy tamin'izay, ary nitantana ny fanjakana tamim-pahendrena. Nahavita nandrava ny fanafihana nataon'ny Lombards izy. Vanim-potoana nikorontana sy sarotra tokoa tamin'io fotoana io, ka anisan'ny nampisongadina ny fiainan'i Gontran ny fiarovana ny fianakaviana izay nisara-bazana, na dia teo aza ny fahadisoana vitany tao anatin'izany korontana izany. Tamin'izany mantsy no nisy ny vono olona nataon'ny mpanjakavavy Frédégonde sy Brunehaut ary Gontran ihany koa dia nandao ny vadiny sy nampamono ny mpitsabony. Tsapany hadisoana vitany tamin'izany ka nitomany ny fahotany izy ary nibebaka sy nanao asa fivalozana maro sy fampijalian-tena ho fanonerana ny fahotany. Niezaka izy nampitony ireo rahalahiny, ary rehefa maty ireo dia izy no nitsangana ho mpiahy ireo zana-drahalahiny ka nanelanelana ny tsy fifankahazona nisy tamin'izany fotona izany.
Marihana fa tamin'ireo vadin'i Gontran telo dia tsy nanana afa-tsy zanaka vavy iray ihany izy, izay lasa nanao relijiozy taty aoriana ka i Childebert Faharoa no nofidiany ho mpandova azy. I Gontran izany no mpanjakan'ny Francs voalohany nankatoavin'ny Fiangonana ho isan'ny olomasina. Midika izany fa ohatra azo tarafina izy, anisan'izany modely izany ny fahatsapany ny fahadisoany ka niezahany mafy hatrany ny hibebaka tamin'ny alalan'ny fanampiana ireo mahantra, nanampy ny Fiangonana ihany koa sy ireo trano fitokana-monina. Niantso Kônsily ihany koa i Masindahy Gontran. Ny farany dia nanorina trano fitokana-monina iray, Saint-Marcel tao Chalon, ary tao izy no niandry ny fotoana hodiany any amin'ny mandrakizay. Fotoana kely taorian'ny nahafatesan'ny dia efa nantsoin'ny vahoaka tao amin'ny fanjakany ho olomasina i Gontran.