22 marsa — Mpianatr'i Masindahy Jérôme i Léa. Anisan'ireo vehivavy manan-kaja romana mpankafy ny fampianaran'i Masindahy Jérôme izy. Amim-pankasitrahana tokoa no nihainoany ny famakafakana ny Soratra Masina natoan'i Masindahy Jérôme tao Rome. Rehefa maty ny vadiny, dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ka niditra tao amin'ny trano fitokana-monina tao Rome izy ary lasa lehiben'io trano io izy taty aoriana.

Nisy taratasy nosoratan'i Masindahy Jérôme ho fankasitrahana sy fiderana ny fianam-panahin'i Masimbavy Léa. Araka ny fitantaran'i Masindahy Jérôme ao amin'io taratasy io dia nanana fiainana mendrika tokoa i Léa noho izy nanolotra ny fiainany manontolo ho an'Andriamanitra. Teo ihany koa ny hatsaram-panahiny izay nahatonga azy ho lehiben'ny trano fitokana-monina ka lasa renin'ireo virjiny marobe. Ny fiakanjony izay nianjaika teo aloha dia nosoloiny ny hirifirin'ny lamba malailay mba hampijaly ny vatany sy ny nofony. Mandritra ny alina izy, tsy mikipy ny masony fa mampianatra ireo mpiray dia aminy amin'ny fihetsiny sy ny teniny. Faratampony raha ny fanetren-tenan'i Masimbavy Léa, satria raha heverina ho lehibe hotronin'ny mpanompo maro izy dia tsy izany no nahitana azy fa mpanompovavin'ny rehetra. Tsotra ny fiakanjony, ny sakafony, ary tsy matahotra izy na inona na inona mitranga satria santariny ety an-tany ny fankasitrahana ny asa vitany. Nahazo ny fankasitrahana mandrakizay izy ankehitriny, noraisin'ny tafiky ny anjely ary sambatra.

Marihana ihany koa fa misy ny Léa ao amin'ny Soratra Masina. Ny Léa ao amin'ny Baiboly dia ilay vady voalohan'i Jakôba, niaina tao Israely tamin'ny taonjato faha-18 talohan'i Jesoa Kristy. Araka ny boky Jenezy toko faha-29 dia zanak'i Laban i Léa, ary nanan-jandry an'i Rachel. Rehefa tonga tao amin'i Laban i Jakôba dia nanompo azy fito taona mba hahazo an'i Rachel ho vady. Kanjo nony tapitra ny fe-potoana ka tonga ny fotoana fampakarana dia tsy izay no niseho fa i Léa no natolotr'i Laban ho vadin'i Jakôba. Tsy tsikaritr'i Jakôba anefa izany raha tsy maraina ny andro. Nanontany izay antony i Jakôba ka nambaran'i Laban fa tsy fomba ny mampanambady mialoha ny zandriny. Dia nitady hevitra i Jakôba mba ahazoana an-dRachel, ka nanohy nanompo an'i Laban indray aloha izy. I Léa moa nankahalain'i Jakôba satria i Rachel no tiany kokoa, nony inona, i Léa no nanan-janaka tamin'i Jakôba. Dia niteraka fito mianadahy tamin'i Jakôba àry i Léa : dia i Roubène, i Siméon, i Lévi, i Juda, i Issakar, i Zabulon, ary ny vavy tokana i Dina.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...