17 marsa — Ny Patrice na Patrick, resahana ny 17 marsa dia ilay nantosina hoe Apôstôlin'i Irlande. Teraka tao Boulogne-sur-Mer tamin'ny taona 373 i Patrice ary heverina fa zanaka anabavin'i Masindahy Martin de Tours izy.

Nobeazin'ny ray aman-dreniny tao anatin'ny fitiavam-bavaka i Patrice ary vao 16 taona izy no nalain'olona an-keriny ary nentiny tany Irlande. Nandritra ny dimy taona izy no nianatra ny fiteny sy ny fomba tao ary nandritra izany koa no niandrasany ondry. Teo am-panaovana io asany andavanandro io izy no niseho taminy ny anjely, indray andro, miendrika tovolahy nanome baiko azy handavaka ny tany fa ao no ahitany ny vola ahafahany mividy ny fahafahany. Nankany France izy avy eo, ary nivantana tao amin'ny trano fitokana-monina tao Marmoutier. Tao izy no niofana, nandalina, nianatra ny fampijalian-tena, nivavaka. Tao ihany koa no nianarany ny iraka hitory ny Vaovao Mahafaly any Irlande. Taona vitsy taorian'izay, nankany amin'ny papa izy, naneo ny fahavononany, ary ny papa no nanendry sy naniraka azy ho any amin'ilay nosy izay navaozin'ny hafanam-pony tao aoriana kely.

Mahagaga ny fitoriana nataon'i Patrice. Raha vao nanainga ny tanany aman-tsabatra hamely ny lohan'i Patrice ny mpanjaka izay niady mafy nanohitra ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin'izany fotoana izany dia nalemy ny tanan'io mpanjaka io. Raha naniraka olona hamono azy indray ilay mpanjaka dia nanjavona tsy hitan'ireo iraka i Patrice. Raha nomena kalisy misy poizina izy dia vaky ilay kalisy rehefa manao ny famantaran'ny Hazofijalina izy. Nihanaka haingana toy ny afo nanerana ny tanana ny finoana notorian'i Patrice.

Nataony batemy ireo nibebaka, nositraniny ny marary, nitory ny Vaovao Mahafaly tsy an-kijanona izy. Nitsidika ny mpanjaka ihany koa izy mba hanome alalana azy hanao ny asa fitoriana ary tsy mihemotra mihitsy izy manoloana ny harerahana sy izay mety ho sakana eo am-panaovana izany. Ny vavaka no heriny ary mandritra ny andro sy ny alina no hivavahany. Ny tapany voalohany amin'ny alina ohatra dia manonona ny Salamo zato voalohany izy ary mandohalika miankohoka maneho fitsaohana mandritra izany fanononana ny Salamo izany. Ny tapany faharoa amin'io alina io indray dia miroboka ao anaty rano mamanala izy : ny fony, ny masony, ny tanany misandratra any an-danitra mandram-pahavitany manonona ny Salamo dimampolo farany. Fotoana fohy no mba hatoriany ary amin'izany izy dia mitsotra eo ambony vato, ary vatoihany koa no ataony ondana. Na dia efa handeha hatory aza izy dia mbola mampijaly tena ihany, cilice no irakofany mba hampalailay azy sy hanindrona ny nofony. Tsy mahagaga raha tamin'ny alalan'ny Trinite Masina no nananganany ho velona olona miisa 33. Nodimandry teo amin'ny faha-90 taonany i Patrice na teo aza ny famolahan-tena mafy nataony.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...