03 marsa — Mbola vao folo taona monja i Guénolé dia nentin'ny ray aman-dreniny tany amin'ny trano fitokana-monina tao amin'ny nosy Lavret any Côtes-d'Armor. Ireo ray aman-dreniny ireo dia i Masindahy Fragan sy i Masimbavy Gwen. Tamin'ny taonjato fahadimy no niaina i Guénolé.

Nisy pretra iray, Budoc, no nanabea azy tao amin'io trano fitokana-monina io, ary io pretra io dia efa nilaza sahady raha vao nahita fa ho olomasina ity zaza ity. Teo amin'ny faha-24 taonany i Guénolé raha nihomana ny ho any Irlande hitsidika ny fasan'i Masindahy Patrick sy hanaja azy, dia niseho taminy io olomasina io ary niangavy azy mba tsy ho any fa hanorina trano fitokana-monina vaovao any Bretagne. Nambaran'i Guénolé tamin'i Budoc lehiben'ny trano fitokana-monina izany fahitana izany. Neken'i Budoc izany ary niaraka tamin'ny mpitoka-monina 11 i Guénolé tao amin'io ankohonam-piainana tao amin'ny nosy kely Tibidy teo ampitan'ny vavaranon'i Faou.

Karakaina be ny tany tao ary matetika io nosy io no nianjadian'ny tafio-drivotra ka tsy naharitra ela no nitoen-dry zareo tao fa afaka telo taona monja, izany hoe ny taona 485 dia nifindra tany Landévennec tany akaikin'i Brest izy ireo ka nanorina trano fitokana-monina tao. Io trano io dia rava tamin'ny andron'ny revolisiona ary naverina navaozina indray taty aoriana. Amin'izao fotoana izao dia ireo Bénédictins de la Congrégation de Subiaco no monina ao amin'io toerana io.

Rehefa nonina tao Landévennec i Guénolé dia lasa mpanabe ireo tanora hiditra ao amin'ny fikambanana. Anisan'ireo mpitoka-monina marobe nofaniny i Masindahy Gwenaël. I Guénolé moa dia nodimandry ny taona 532.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...