27 febroary — Isan'ireo mponina antsoina hoe "Gaulois" i Honorine ary niaina tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo. Maty martiry tamin'ny taona 303 izy ary natsipy tao amin'ny reniranon'i Seine ny fatiny.

Nentin'ny rano izany nofo mangatsiakany izany ka hita tao Graville, Havre tanana kely ao Seine-Maritime. Nalain'ny kristianina tao io vatany io ary nalevin'izy ireo ary nanorenana chapelle teo ambony fasana. Tamin'ny faran'ny taonjato fahasivy, izany hoe tany amin'ny taona 876 tany dia nafindran'ireo pretra tany Conflans ny "reliques" an'i Masimbavy Honorine mba hiarovana azay tamin'ny hetraketrak'ireo Normands tamin'izany fotoana izany. Nanomboka tao ny fanajana azy isaky ny fankalazana ny niakaran'i Kristy any an-danitra. Maro ny fahagagana niseho tao, ary ireo voafonja afaka noho ny vavak'i Masimbavy Honorine dia manantona ny rojony mba ho fankasitrahana an'ity olomasina ity.

Ny taona 1080 dia niangavy ireo Bénédictins tao Bec Hellouin tao Eure ny pretra tao amin'ny toerana nisy ity chapelle ity mba ho avy hikarakara izany toerana izany. Tamin'izany indrindra no nananganan'ireo Bénédictins ilay toeram-pivavahana nantsoina hoe "Parc du Prieuré", notokanana ny 21 jona 1086. Hatramin'izay ka hatramin'izao dia misy hatrany isan-taona ny dia mivavaka ho fanajana an'i Masimbavy Honorine ao Conflans.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...