I Masimbavy Ella no ankalazaina rehefa 01 febroary. I Masimbavy Ella dia vadin'i Guillaume Longespée, rahalahin'i Richard Cœur de Lion printsy tao Angleterre. Ella Fitzpatrick no anarany. Naditra tokoa ny vadin'i Ella, indrindra tamin'ny fanitsakitsahana azy amin'ny fiarahana amin'ny vehivavy hafa.

Tsy kivy anefa i Ella, ary nanantena fa hiova io vadiny io indray andro any ka hanana fitondran-tena mifanaraka amin'ny Evanjely. Izany tokoa no niseho, fa rehefa niverina avy any amin'ny ady fahatelo ho fanafahana ny Tany masina i Guillaume Longespée, ilay vadiny io, dia nibebaka. Inona hoy ianao no antony? Nandritra ny fiverenany ho any Angleterre io, dia nentin'ny tafio-drivotra ny sambo nitondra azy kanjo nandritra izany ady mafy natrehany izany no hitany ny vadiny, nanampy azy, nanavotra azy tao anatin'izany rivo-doza izany. Niova noho izany i Guillaume, nibaboka tamin'ny vadiny izy, nibebaka ary tapakevitra fa tsy hampirafy intsony ary hiaina am-pahendrena. Notanany izany teny izany.

Rehefa maty i Guillaume, dia nanatona an'i Masindahy Edmond i Ella ary nanangana trano fitokana-monina tao Laycock ho an'ireo vehivavy nanaraka ny fitsipi-piainan'i Masindahy Augustin ka i Ella no lehibe voalohany nitantana izany trano fitokana-monina izany. Maty ny taona 1261 tao Laycock i Ella.

I André de Segni sy i Virdiane ihany koa dia azo tsaroana amin'ity 01 febroary ity. I André de Segni dia niaina tamin'ny taona 1230 ka hatramin'ny taona 1302. Mpitoka-monina fransiskana izy io ary nolaviny ny nanomezana azy ny laharam-boninahitra maha Kardinaly. Anisan'ireo olomasina marani-tsaina izy, tso-piaina ary tia vavaka ka matetika no niaina tao anatin'ny fahavarianam-panahy. Fa i Masimbavy Virdiane dia zanaka tompomenakely tany Italie tany ary nandritra ny 24 taona no niainany tao anaty trano kely tao Castel Florentino niady tamin'ny herin'ny ratsy izay tena nampijaly azy mihitsy manadram-pahafatiny, nefa tsy nahakivy azy izany fa natoky hatrany ny fitiavan'i Kristy izy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...