Ny volana jona dia iray volan'ny "Teny Malagasy", misy ireo hetsika fiarovana izany, isan'ireny ny Edition Ambozontany, nanao ezaka ho fiarovana ny teny sy ny fomba Malagasy nandritdra ny 70 taona. Taloha 18 taona ny tanora dia efa matotra, ankehitriny anefa dia sokajiana mbola ao anatin'ny vanim-potoan'ny fialantsakana ny tanora. Azo heverina ho vokatry ny fanabeazana tsy mifandanja izany : ara-batana, saina, fanahy. Mitotongana hatrany ny fari-pahaizan'ny ankizy sy ny tanora malagasy, mila fandraisan'andraikitra avy amin'ny tsirairay... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...