Raha fintinina dia toa izao avy ireo zavatra nodinihina sy tinapaky ny Konsily lehibe samihafa. Ny tao Jerosalema moa (49/50) dia nandinika lalina ny amin’ny fanarahana ny Lalàn’ny Jody. Tapaka àry fa tsy voatery ho foraina hanaraka ny Lalàn’ny Jody ireo olona hafa firenena efa nibebaka, natao Batemy, ka tonga Kristianina. Ny tao Nisea I (325) kosa no namaritra ny amin’Ilay Teny Tonga Nofo, ary nambarany fa i Jesoa dia tena Zanak’Andriamanitra tokoa, iray fomba amin’ny Ray (Homousis), sady tena Andriamanitra marina, natao izany mba ho fanoherana ny Arianisma.
Ny tao Konstantinopla I (381) dia nandray fepetra mikasika ireo Masedonianina, ka nambara mazava fa Tena Andriamanitra ny Fanahy Masina, sahala amin’ny Zanaka sy ny Ray (araka ny Fiekempinoana Nisea-Konstantinopla). Ny Nestorianisma sy ny Pelazianisma kosa no nakana fepetra tamin’ny Konsily tao Efezy (431). Nambara mazava àry fa i Kristy dia sady Andriamanitra no Olombelona, olona tokana (personne): ny firaisan’ny maha-Izy Azy dia ny foto-pisiana, izay tsy vokatry ny kisendrasendra izany, ka sady eto ivelany, fa tsy sainina ho anatiny fotsiny ihany. Nohelohina àry i Celestius pelazianina malaza be sy ireo mpomba Azy. Ny Eotikianaisma izay mampifangaro tanteraka ny maha Andriamanitra sy ny maha Olombelona an’i Jesoa, ary ny Monofizisma, ireo kosa no nandraisana fepetra tao Kalsedonia (451). Samy ao amin’i Kristy tanteraka (ary mitombina ho Azy irery) ny maha-Andriamanittra sy maha-Olombelona Azy: tsy mifangaro na miovaova na mifandimby anefa izany. [Ny Monofizisma dia fampianaran-diso milaza fa natelin’ny maha-Andriamanitra an’i Kristy ny maha-Olombelona Azy, ka nohelohina izay rehetra manaraka izany fampianaran-diso (herezia) izany].