Eo ampamaranana ny taona litorjika ho an'ny Fiangonana isika ary hiditra amin'ny alahady voalohany amin'ny fiaviana ka hanentanana ny olona rehetra mba hiatsara sy hanamafy fototra ny fitiavana an'Andriamanitra. Tsy mety ary voararan'ny lalàna hatramin'ny andron'i Moizy ny miray na matory amin'ny vadin'olona izay vady ara-dalàna. Mifamatotra tanteraka amin'ny didy folo izany, araka izay voatsiahy ao amin'ny didy fahaenina sy ny fahasivy ; ireto farany ireto dia samy miresaka ny filibàna ara-nofo na ny fijangajangàna, tsy ao anatin'ny tokan-trano nahazo tso-drano teo anivon'ny Eglizy sy ara-dalàna. Ezaka ny fanentanana ny tokatrano, izay mbola tsy nahazo tso-dranon'ny Fiangonana mba hiroso amin'ny sakramentan'ny mariazy...

   

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...