Fanamby lehibe atrehina isan'andro ny fampanjariana ny fiadanana sy fandriam-pahalemana ka nankahery ny vahoakan’Andriamanitra mba hikatsaka hatrany ny fiadanana ny Papa François amin’ny fankalazana ny andro eran-tany faha-52 ho an’ny fiadanana sy fandriam-pahalemana (01 janoary 2019) amin’ny hafatra nampitondrainy ny lohateny hoe: "Ny politika tsara entina manasoa ny fandriam-pahalemana".

Fibebahan’ny fo amam-panahy ny fiadanana ary tanteraka izany amin’ny fampanjariana ny fandriam-pahalemana amin’ny tena, amin’ny hafa ary amin’ny voahary. Fanazavana entin’i P. Jean Germain Rajoelison, Sekretera Jeneralin'ny Vaomieran’ny Eveka momba ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana, eto Madagasikara.

0 : 00

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...