Fanamby ho an'ny Radio Don Bosco, hatramin'ny nisiany tamin'ny 1996, ny hiara-dia amin'ny olona amin'ny toerana rehetra misy azy. Onjam-peo naorin'ny salezianin'i Don Bosco, manana tanjona ny hitory ny Vaovao mahafaly sy hanabe ny vahoaka malagasy, indrindra ny tanora.

25 taona izy ankehitriny, afaka mampita hafatra sy mampifandray ireo radio diosezanina manerana an'i Madagasikara amin'ny alalan'ny tamba-jotran'ny satelita, raha toa ka natao ho an'ny mponina eto Antananarivo ihany tany am-boalohany. Tamberina entin'i P. Luca Treglia, sdb, mpanorina ny Radio Don Bosco, miaraka amin'ireo pretra mpiara-miasa.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...