Alatsinainy 06 aprily 2020 — Alatsinainy masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 1-11 — Arahaba, ry Mpanjakanay ! Ianao irery no niantra anay tamin'ny hadisoanay.

0 : 00

Araka ny Vaovao Mahafaly zarain'ny Fiangonana amintsika androany, dia ireto olona dimy ireto no mpandray anjara fototra : i Jesoa, i Lazara, i Marta, i Maria ary i Jodasy Iskariôta. Mba iza amin'ireo re ny toetrantsika olombelona tsirairay avy ? I Jesoa ilay nanetry tena, tonga mba hamangy sy hitondra teny mamy ary hampitraka ve ? Sa i Marta, ilay nikarakara nahandro, mahay mandray vahiny, manome voninahitra ny mpitsidika ? Sa i Maria, ilay naneho fanetren-tena lalina, nanosotra diloilo manitra tamin'ny tongotr'i Jesoa ary namoaka izany tamin'ny volon-dohany ? Sa i Lazara, ilay natsangan'i Jesoa ho velona ka nampitombo ny finoan'ny olona, nahatonga azy ireo hanara-dia an'Andriamanitra ? Sa i Jodasy, ilay tia vola, ilay tia tena, ilay fetsifetsy mpitsetsitra ny hatsembohan'ny mahantra ?

Ry kristianina havana ! Samy manana ny toetrany isika olombelona, tadidio anefa fa hitan'Andriamanitra amin'ny antsipiriany ny toetrantsika, hatramin'ny bitika indrindra ka hatramin'ny vaventy indrindra. Ao anatin'ny alatsinainy masina isika mianakavy, dia ireny toetrantsika madinidinika ireny, ireny kilemantsika ireny, ireny indrindra no tokony hanaovantsika dingana handraisantsika fanapahan-kevitra matotra ao anatin'izao herinandro masina izao, mba hoentintsika eo amin'i Kristy ary mba ahafahantsika mivoatra sy mihatsara kokoa hatrany eo amin'ny fiainana ara-panahy. Dia isika tsirairay avy àry, izay miombona amin'ny Fiangonana manontolo, mankalaza ity herinandro masina ity, aoka mba tsy hisy pentina eo anatrehan'Izy Andriamanitra ny fiainantsika mba ahafahantsika manao ezaka iarahantsika amin'izy Andriamanitra Ray ary mba ahafahantsika manatsara hatrany hatrany ny fiainantsika ao amin'ny Fiangonana.

Ry Jesoa Andriamanitray, indreto izahay tsirairay avy, ao anatin'izao herinandro masina izao, manolo-tanana aminao, koa mba raiso amin'ny ezaka rehetra izay ataonay mba ahafahanay ho vonona handresy ny fahazaran-dratsy ny ny toetra ratsinay ka mba ho olom-baovao tokoa anie izahay, havaozin'ilay Paka ho avy ary ho mendrika ny ho mpianatrao tokoa. Ry Fo Masin'i Jesoa, matoky Anao izahay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...