05 aprily — Misionera niaina tamin'ny taona 1357 ka hatramin'ny 1418 i Masindahy Vincent Ferrier. Teraka tao Valence izy, ary mbola tany am-bohoka izy dia efa hitan-dreniny tamin'ny nofy sahady ny hoaviny ka nitebiteby fatratra.

Nanatona olona manam-panahy noheveriny fa masin-toetra teo an-tanana ity reniny ity, ary io no nankahery azy fa zaza voatendry i Vincent ary ho olomasina ka ny fahaizany miteny dia hampandositra ny amboadia, ary hamerina ao am-bala ireo ondry nania. Mbola zaza i Vincent dia efa namory ny namany ary miresaka amin'izy ireo, amin-kalemem-panahy sy fitiavana, ny momba an'Andriamanitra sy i Masina Maria Virjiny. Nanohina ny fon'ireo namany ny maheno azy miresaka izany.

Rehefa nitombo sy nihalehibe izy dia nanorina trano fitokana-monina ho an'ny Dominicains tao Valence ary taona vitsy tao aorian'izany dia nanoratra ny toriteny voalohany izy. Marihana fa ao amin'ny fery masin'ny Mpamonjy sy ny fitiavany vavaka no hanovozany izany fahaizana miteny izany. Indray andro, tsy maintsy nitory teny tamin'ny printsy izy, nihomana fatratra izy tamn'izany ary ny fandalinana no nataony betsaka kokoa noho ny vavaka ka talanjona izay mihaino azy. Ny ampitson'io dia tsy maintsy mbola nitoriteny tamin'io printsy io ihany izy, fa tamin'izay dia teo am-pototry ny hazofijaliana no nanomanany izay holazainy. Rehefa niteny izy dia nitombo ny fahaizany, ary nitombo ihany koa ny hafanam-pony sy halemem-panahiny naneho izany. Nanontany ny anton'izany ilay printsy, ka hoy izy : "Tompoko, omaly dia i Vincent no nitory teny fa androany kosa dia i Jesoa Kristy".

Teo amin'ny faha-40 taonany izy no tena nanomboka ny asa fanirahana rehefa avy narary mafy ka nositranin'Andriamanitra. Tehina amin'ny tanana an'ila ary hazofijaliana kosa amin'ny ilany, io no nentiny nitety an-tongotra ny vohitra, nitory ny Vaovao Mahafaly nanerana ny faritr'i Espagne, France sy Italie ; ary tamin'izany izy nampianatra, nanorina, nampibebaka olona maro. Tonga hatrany Angleterre, Ecosse sy Irlande izy namafy ny Tenin'Andriamanitra. Tsy omby ny fiangonana ny olona tonga mihaino ny fampianarany ka amin'ny andavanandro dia eny ankalamanjana izy no mitory ny Vaovao Mahafaly.

Voalaza fa mahatratra 25.000 ny Jody nampibebahan'i Masindahy Vincent Ferrier ary Silamo maro ihany koa. Aman'aliny ireo mpanota niala tamin'ny fahazaran-dratsiny. Rehefa mitory teny i Vincent dia na amin'ny teny latina, na amin'ny teny espagnol, fa ny mahagaga dia mahazo izay lazainy amin'ny fiteniny avy ireo olona tonga manatrika eo. Fa ny tena namplaza azy ihany koa dia ny fampianarany momba ny fiafaran'izao tontolo izao. Nampivarahontsana ireo mpihaino azy ny fahenoana ity fitsarana farany ity ka maro ireo olona no nibebaka sy niova fo hany ka tsy naharaka intsony ny mpivarotra ireo kojakoja fampiasan'ireo mpitoka-monina amin'ny fampijalian-tena. Isan'andro dia misy fahagagana miseho hatrany ao aorian'ny fampianarany ary maro ireo marary no tonga hositranina eo aminy ihany koa. Nodimandry tao Vannes ny taona 1418 i Masindahy Vincent Ferrier.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...