25 marsa — Mampahatsiahy antsika ny andro nandraisan'i Maria tao Nazareta ny filazan'ny arkanjely Gabriel fa hitoe-jaza izy, ity andro ity. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia ny Fanahy Masina no hanorotoro io zaza io ao an-kibony.

Mistery tsy azo sarahana ny Filazana sy ny Fahatongavan'i Kristy ho nofo. Nandritra ny efatrarivo taona mahery no efa niandry Ilay Mpamonjy nampanantenaina ny tany, ka io Filazana io izany no azo lazaina fa feo nitory ny oran'ny fanafahana hoe : "Indro ny Mpanavotra". Mba hanonerana ny fahotana natao tamin'Andriamanitra dia nidina avy amin'ny seza fiandrianany Ilay Zanany, nandray ny fomban'olombelona. Tonga olombelona satria tsy maintsy misy sorona mendrika ho an'Andriamanitra. Tamin'io fotoana io indrindra, nivavaka i Maria, tonga ny arkanjely Gabriel niarahaba azy : "Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao ; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao". Nisahotaka sy gaga ilay vehivavy naheno izany fiarahabana izany, fa nankaherezin'ny anjely izy nanao hoe : "Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak'Andriamanitra ianao. Ary indro ianao hitoe-jaza, ka hiteraka zazalahy, ka Jesoa no hataonao anarany. Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra ; dia homen'Andriamanitra ny fiketrahan'i Davida rainy izy, ka hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany". Tankina i Maria, nefa mbola nazavain'ny anjely fa ny Fanahy Masina no tonga ao aminy sy hanaloka azy amin'izany zaza haterany izany. Hany heriny dia tsy namaly afa-tsy "eny", nanao hoe : "Inty aho ankizivavin'ny Tompo, aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao".

Tanteraka teo àry ilay mistery. Tonga nofo ny Teny, ary i Maria nidera sy nisaotra an'Andriamanitra : "Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin'Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian'ny ankizivaviny. Indro, hatramin'izao, dia hataon'ny taranaka rehetra hoe, sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa. Ary masina ny anarany, sady amin'izay matahotra azy hatramin'ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony". Nanomboka tao amin'i Maria izany ny fiainana maha olombelona Ilay Zanak'Andriamanitra. Dia hitantsika fa nitombo tao aminy ny zaza, ary rehefa tonga tety an-tany dia voaheloka teo amin'ny hazofijaliana, nitsangan-ko velona ary niditra amim-boninahitra any amin'ny voninahitr'Andriamanitra Ray. Fahafenoan'ny fotoana ho antsika olombelona sy ny famonjena antsika ny fahatongavan'Ilay Zanak'Andriamanitra tonga nofo avy amn'ny Fanahy Masina.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...