Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara. “Nikely aina mandrakariva koa aho mba tsy hotsinin’ny feon’ny fieritrertako, na eo anatrehan’Andriamanitra, na eo anatrehan’ny olombelona” (Asa 24, 16)

Ry havana,

Homba anareo anie ny fiadanana!

01. Ao anatin’ny hafaliana sy ny fanantenana entin’i Kristy tafatsangan-ko velona no iarahabanay anareo indray amin’ity hafatra ampitainay Evekan’i Madagasikara ity. Izay niainan’ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy no irarianay iainantsika mianakavy: ho eo anivontsika hatrany i Kristy, na dia eo aza ny fahasahiranana mianjady amintsika amin’ny endriny samihafa. Ny fihaonantsika Aminy sy ny fihainoantsika ny Teniny anie ho loharanom-piadanana ho an’ny tokantrano tsirairay.

Raha ny fiainan’ny Eglizy manokana no jerena dia mampisaotra an’Andriamanitra ny fahatongavan’i Monseigneur Tomasz Gryza, solontenan’ny Papa eto amintsika. Nanamarika manokana an’ity taona ity ihany koa ny fanamasinana an’i Monseigneur Donatien Francis Randriamalala ho Eveka’ny diosezin’Ambanja sy ny fametrahana an’i Monseigneur Zygmunt Robaskiewicz ho Evekan’i Mahajanga. Entintsika am-bavaka ny androm-pirenena ho an’ny ankizy (JNE) izay hatao amin’ny volana jolay 2023 eto Antananarivo ka harahintsika tsara ireo lamina sy toromarika omen’ny tompon’andraikitra. Efa mitodika any amin’ny taon-jobilin’ny Fanantenana amin’ny taona 2025 sahady koa ny fijerin’ny finoantsika. Fahasoavana miampy fahasoavana ireo.

Manova kolontsaina ny fahantrana.

02. Raha atao indray mijery ny fiainam-pirenena dia izao no azo lazaina: tsy azo odian-tsy hita ireo ezaka sy zava-bitan’izao fitondrana izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny foto-drafitr’asa (sekoly, hopitaly, fandrakofana tara ny lalam-pirenena sasany, lalan-kely), ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana, ny asa avotra mirindra sy asa tana-maro, ny fanomezana alalana ireo fikambanana sy vondrona misehatra amin’ny fampivoarana, ny fandriam-pahalemana amin’ny faritra sasany. Tsy vitsy koa ireo olona tsara sitra-po miezaka manao ny marina sy mifanakalo hevitra amin’ny Raiamandreny am-panahy ato amin’ny Eglizy ary miezaka mampanjaka ny fahamarinana.

03. Eo an-danin’izany anefa dia miharihary ny fahantrana lalina sy amin’ny lafiny maro izay mampikaikaika tokoa hatraiza hatraiza. Saika sehatra rehetra mihitsy no isehoan’ny fahantrana mahazo antsika, na ara-toe-karena [1] izany na ara-piaraha-monina na ara-pitondran-tena [2] sy toe-tsaina, ny tontolo iainana [3]... Miova tsikelikely hatramin’ny kolontsaina izay manefy ny fomba fisainana sy ny fomba fiainana ary ny fomba fifandraisana. Ary miova koa hatramin’ny fihainoana ny feon’ny fieritreretana izay mirona tsikelikely amin’ny famonoana olona sy ny herisetra, ny fitsaram-bahoaka, ny kolikoly, ny fanariana ny zaza nateraka, ny halatra mason’ny varira sy taolam-paty, ny doro tanety sy ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ny fidorohana zava-mahadomelina, sns. Ilay fandalan’ny Malagasy ny aina dia nivadika ho kolontsaim-pahafatesana. Lasa kolontsaina tsikelikely ny kolikoly sy ny tsy firaharahana ny lalàna ary tonga hatramin’ny tsy firaharahana ny hafa [4], ny tsy fifampihainoan’ny mpitondra sy ny vahoaka, na ny vahoaka samy vahoaka. Ny tena mampalahelo dia manao an’ireo ny kristianina sy ny mpivavaka. Ny mpitondra sy tompon’andraikitra izay natao hanome ohatra no miova toetsaina voalohany; hany ka manaraka ho azy ny vahoaka. Ny maha olona mihitsy no mikorontana araka ny fomba fijerin’ny i Papa Benoît XVI [5].

Manampy trotraka an’izany ireo fampanantenana maro izay tsy tanteraka ka mampiraviravy tanana ny vahoaka na mampanaonao foana azy. Miaka-bidy tsy miato sady haingana ny zavatra ilain’ny vahoaka andavanandro; mitaraina ny mpamboly sy ny mpiompy fa tsy misy mpiraharaha ny olany; mihalafo hatrany ny fampianaran-janaka ary mihagoragora ny fanabeazana; mitombo hatrany ireo very asa sy tsy an’asa; mihapotika ny lalana manerana an’i Madagasikara. Tsy ahitam-bahaolana maharitra ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ny jiro sy ny rano ary ny maro hafa. Hany ka tsy hita taratra intsony ny maha fanasina sy fahazavana ny mpianatr’i Kristy (jereo Mt 5,13-14) sy ny maha vavolombelona azy (jereo Asa 1,8).

04. Singanina manokana koa ny tontolo iainana izay mihapotika hatrany nefa tsy mahataitra ny maro, na ny mpitondra na ny vahoaka. Maika ny fampiharana ny lalàna sy ny fanasaziana mafy ireo mpanimba ny tontolo iainana. Ezaka ifarimbonan’ny rehetra ny fanentanana momba ny fiarovana ny tontolo iainana: mpitondra, vahoaka, fianakaviana, mpanabe, mpanao politika, mpitondra fivavahana, mpanao gazety, mpikaroka, mpanan-kanto, miaraka amin’ireo rafitra sy fikambanana ary vondrona samihafa.

Miantoka ny hoavintsika ny fifidianana.

05. Hiatrika fifidianana isika amin’ity taona ity. Adidy amin’ny maha olom-pirenena sy amin’ny maha kristianina izany. Manomboka hatrany amin’ny fanaraha-maso ny fisoratana anarana ao amin’ny lisi-pifidianana ka hatrany amin’ny fandatsaham-bato sy ny fiarahana manara-maso ny voka-pifidianana. Ao anatin’ny “fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra” (pré-campagne) isika izao. Lasa alohan’ny fotoana ny famoriam-bahoaka etsy sy eroa mbamin’ireo fomba fanao amin’ny fampielezan-kevitra. Hatramin’ny hetsika ara-piaraha-monina sy ara-pivavahana avy no atao fitaovana hahazoana ny fon’ny mpifidy amin’ny fifidianana. Hatahorana hiteraka ady sy fisarahana ny hetsika ataon’ireo mpanao politika sy ny mpilatsaka hofidiana.

Aoka anefa isika tsy ho alaim-panahy tsy hifidy na sanatria hitaona ny hafa tsy hifidy noho ny toa tsy fahombiazan’ny fifidianana tany aloha. Tsy ho very ny ezaka ataon’ny tsirairay sy iaraha-manao, fa anjara biriky amin’ny fitiavan-tanindrazana. Ny feon’ny fieritreretany no tokony hibaiko ny tsirairay fa tsy izay be mpanaraka na izay ahazoana tombon-tsoa vetivety. Masina sy saro-bidy ny feon’ny fieritreretana satria ao no ihainoantsika ny feon’Andriamanitra koa aoka samy ho saro-piaro amin’izany. Ampahatsiahivina hatrany fa tsy misy afaka misandoka ho kandidàn’ny Eglizy katolika.

Ny miantoka ny fifidianana madio sy mahomby dia ny fanajan’ny olon-drehetra ny lalàna sy ny fitsipika rehetra momba izany. Natao hanome ohatra amin’izany ny mpitondra sy tompon’andraikitra rehetra amin’ny fifidianana; toy izany koa ireo mpilatsaka hofidiana sy ny mpomba azy. Ary tena iankinan-javatra lehibe ny fahaizan’ny vahoaka manaja ny lalàna sy ny fitsipika rehetra momba ny fifidianana. Koa entintsika am-bavaka sahady ny dingana sy ny ezaka andrasana amin’ny rehetra.

Ny mikasika ny olona tokony hofidiana, na dia eo aza ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay izay tena hajaina tokoa, dia mba tianay ihany ny mampahatsiahy ny toetra tokony hananany satria “ny politika dia fitaovana fototra hanatsarana ny fiainana maha olom-pirenena sy vinavina ho an’ny olombelona” [6]. Olo-marina sy hendry ary tia tanindrazana no ilain’i Madagasikara, izany hoe olona mpanara-dalàna sy sarotiny amin’ny lalàna, tsy mizaha tavan’olona. Tsy maintsy ho olona manana ny maha izy azy ihany koa, fa tsy voafatotry ny politikan’ny antokony na ny tombon-tsoan’ny fianakaviany na ny faritra niaviany. Ary ny tena ilaina amin’ity fifidianana ity dia olona mahay mihaino ka vonona sy manana vinavina mazava hanarina izao fahantrana lalina mahazo ny vahoaka malagasy izao; tsy hanilika andraikitra amin’ireo mpitondra teo alohany fotsiny. Olona misokatra amin’ny hafa koa no ilaina, ary afaka mampisokatra ny firenena amin’ny hafa satria tsy miteraka afa-tsy fizarazarana ny fitiavan-tanindrazana manilika ny hafa, araka ny fampahatsiahivan’i Papa François [7].

Fo madio, fanantenana, firotsahana.

06. Tsy ny fifanomezan-tsiny sy ny fifanilihana andraikitra mihitsy no hampandroso ny firenena. Ny toetry ny fon’ny tsirairay sy ny mpiara-miaina no tsy maintsy itodihana. Ny fon’ny olona no fototra iavian’ny ratsy rehetra, araka ny fampianaran’i Jesoa (jereo Mk 7, 16-23). Fibebahana no takiana, fo madio no ilaina hananan’ny olona rehetra [8] mba hampirindra ny fiaraha-miaina [9] sy ny fampivoarana iarahana. Ho lohalaharana amin’izany ny kristianina amin’ny ambaratonga rehetra misy azy.

Raha namangy antsika i Papa François tamin’ny taona 2019 dia “mpamafy fanantenana sy fiadanana” no niantsoana azy. Izany no nilazana ny iraka nataony taty amintsika, izay iraka ampanaovina ny Eglizy manontolo. Isika no Eglizy hanatontosa izany iraka izany. Ka tsy hiraviravy tanana isika na hanaraka ny rivotry ny tantara fotsiny; satria ao am-pontsika ny fanantenana avy amin’ny fitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona. Vavolombelon’izany fanantenana izany ny kristianina, ka ary ho mpitondra azy eo anivon’ny vahoaka malagasy mikaikaika sy mila hanary toky ary efa mitady hivaona amin’ny fomba fiainana sy ny fomba fisainana. Vao mainka miantso antsika kristianina hatrany izao zava-misy sarotra iainantsika izao mba hijoro amin’ny finoana maha kristianina antsika, haneho eo amin’ny fiainantsika fa olona nahazo fampianarana sy fahasoavana isika. Hasehontsika fa na mafy toy izao aza ny fiainana dia azo atao hatrany ny mijoro amin’ny ny finoana, ny manao ny marina sy miaro azy, ny manaja ny fihavanana sy mitandrina ny didin’Andriamanitra. Fotoana izao hanehoana fa ny feon’ny fieritreretana ihany no milaza amintsika ny marina. Miantso antsika amin’ny fifampitsinjovana maha kristianina antsika izao fahantrana lalina izao, indrindra ny fitsinjovana ny madinika sy ny sahirana rehetra.

Miantso antsika Eglizy ihany koa ny fahantran’ny firenentsika hanohy sy hanamafy ireo ezaka irotsahantsika hanompoantsika ny mpiray tanindrazana. Hitady lalana hatrany isika mba hahazoan’ny taranaka fanabeazana feno sy madio, amin’ny alalan’ny sekoly sy ny fikambanana masina. Ny fiahiana ny mahantra, ny marary, ny bado, ny sembana sy ireo voailika no mari-drefy ahalalana fa tsy mivaona amin’ny Vaovao Mahafaly ny fiainantsika ny finoana. Hozohina sy hosokafana hatrany ny pastoraly fanatonana ny olona sy fampivoarana azy amin’ny maha olona manontolo. Ny fanabeazana no ivon’io fampivoarana io ka niantsorohan’ny Eglizy hatramin’izay. Hojerena akaiky amin’izany ny fidorohana zava-mahadomelina izay lasa fomba fiainana ary tsy mifidy taona sy anjara fari-piainana. Hataontsika laharam-pahamehana amin’ny fijoroana amin’ny finoana sy amin’ny fampivoarana ny fikajiana ny tany “tranobe iombonantsika” sy ny tontolony. Tsy ho mpanaraka izay fanaon’ny olona isika satria tsy izay fanaon’ny olona dia mety avokoa; fa hahatsiaro tena ho mpitarika ny hafa ho any amin’i Jesoa “Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” (Jo 14,6). Izany no maha vavolombelon’ny fanantenana antsika.

Mba ho Eglizy miara-dia.

07. “Aza miady irery fa sao resy”, hoy ny hirantsika. Mivoy fiarahan-dia rahateo ny Sinaody ataontsika amin’izao fotoana izao. Amin’ny maha Eglizy miara-dia antsika no iatrehantsika ny andavanandrom-piainantsika izay iarahantsika amin’ny Malagasy sy ny olombelona rehetra. Hotadidiantsika sy hataontsika fomba fiaina hatrany ilay tsianjery nampianarin’ i Papa François antsika Malagasy hoe: “tsy misy olona afaka milaza hoe tsy mila anao aho”. Ny finoana no aoka mibaiko ny fiainantsika fa tsy izay hevitra na teny voizina etsy sy eroa. Ny fampianaran’i Jesoa Kristy no iantsoana antsika hampiely finoana koa hitandrina isika amin’ny fampielezana ireo hevitra hafa tsy miainga amin’ny finoana. Ireo te hifandray sy hiara-dia amin’ny Eglizy ihany koa dia hahatsiaro izany mba hampirindra ny fiarahan-diantsika. Azo atao hatrany ny miara-dia.

Eto am-pamaranana dia tsiahivina eto izay nolazain’i Jesoa tamin’i Masimbavy Faustine hoe: “Tsy hiadana izao tontolo izao raha tsy mitoky amin’ny famindram-poko”. Antsointsika sy ivelomantsika isan’andro izany famindram-pon’Andriamanitra izany. I Jesoa Tompo maty fa nitsangan-ko velona anie hankahery antsika hatrany ka hamelona ny Fanantenany ao amintsika. Ary ny vavak’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara sy i Md Josefa Mpiaro ny Eglizy ary ny Olomasina sy ny Olontsambatra anie homba antsika hatrany.

Eo am-piandrasana ny fankalazana ny Pantekôty, na ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’i Masina Maria sy ny Apôstôly, dia hifampitondra am-bavaka isika ary italahoanay mafy ny hitomboan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina ao amintsika mba hanazava ny feon’ny fieritreretantsika ahafahantsika mibebaka sy manova endrika ity tany mamintsika ity.

Mitso-drano anareo izahay Eveka Raiamandreninareo!

Natao teto Antananarivo, anio, 18 mey 2023.
Fankalazana ny niakaran’ny Tompo any an-danitra.

Son Exc. Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara;
Son Exc. Mgr Filgence Rabemahafaly, Arsevekan’i Fianarantsoa, Filoha lefitra;
Son Exc. Mgr Gabriel Randrianantenaina, Evekan’i Tsiroanomandidy, Sekretera Jeneraly;
Son Éminence le Cardinal Désiré Tsarahazana, Arsevekan’i Toamasina;
Son Exc. Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan’Antsiranana;
Son Exc. Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, Arsevekan’Antananarivo;
Son Exc. Mgr Fulgence Rabeony, Arsevekan’i Toliary;
Son Exc. Mgr Francis Donatien Randriamalala, Evekan’Ambanja;
Son Exc. Mgr Georges Varkey Puthiyakulangara, Evekan’i Port-Bergé;
Son Exc. Mgr Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan’i Mahajanga;
Son Exc. Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana;
Son Exc. Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan’Ambatondrazaka;
Son Exc. Mgr Rosario Vella, Evekan’i Moramanga;
Son Exc. Mgr Gustavo Bombin Espino, Evekan’i Maintirano;
Son Exc. Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan’i Miarinarivo;
Son Exc. Mgr Fidelis Rakotonarivo, Evekan’Ambositra;
Son Exc. Mgr José Alfredo Caires De Nobrega, Evekan’i Mananjary;
Son Exc. Mgr Fulgence Razakarivony, Evekan’Ihosy;
Son Exc. Mgr Gaetano Di Pierro, Evekan’i Farafangana;
Son Exc. Mgr Vincent Rakotozafy, Evekan’i Tolagnaro;
Son Exc. Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampin’Antananarivo;
Rév Père Jeannot Martial Andrianandrainy, Administrateur diocésain d’Antsirabe;
Rév Père Raoul Sendratsara, Administrateur diocésain de Morombe;
Son Exc. Mgr Raymond Razakarivony, Evêque Emérite de Miarinarivo;
Son Exc. Mgr Michel Malo, Evêque Emérite d’Antsiranana;
Son Exc. Mgr Armand Toasy, Evêque Emérite de Port-Bergé;
Son Exc. Mgr Antoine Scopelliti, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka.

1 - Jer. Ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena: https://www.banquemondiale.org/fr/country/madagascar/overview

2 - Fitsaram-bahoaka, fanalan-jaza, herisetra sy fanolanana tsy misy tahotra. Mahakasika ny fitsaram-bahoaka dia azo jerena ohatra ny antontan’isa homen’ny OpenStat ao amin’ny Madagascar initiative for digital Innovation.

3 - Efa noresahin’i Papa Fransoa io tamin’ny lahateniny ho an’ireo manam-pahefana ara-politika sy sivily teny Iavoloha tamin’ny 19 septambra 2019.
Jer. koa ny “La dégradation de l’environnement à Madagascar: problèmes et perspectives des solutions”, in Revue des sciences, de Technologie et de l’Environnement (RSTE), volume 3. Edition : Spéciale Université d’ÉTÉ. Version online, mise à jour 06.02.2021.

4 - Jer. Hafatr’i Papa Fransoa ho an’ny Andro maneran-tany faha-49 ho an’ny fandriam-pahalemana, 1 janoary 2016, n. 4.

5 - Ny Andraikitry ny Fiangonana aty Afrika, lah.11

6 - Hafatr’i Papa Fransoa ho an’ny Andro maneran-tany faha-52 ho an’ny fandriam-pahalemana, 1 janoary 2019

7 - Hafatra tamin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpifindra monina sy ny mpitsoa-ponenana, 2021

8 - Jer. Pape François, Angelus 19 Janvier 2022, “Se fier à la parole qui change le monde et les cœurs”

9 - Jer. Hafatr’i Papa Fransoa ho an’ny Andro maneran-tany ho an’ny fandriam-pahalemana, 1 janoary 2014.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...