Ny "gaotra" dia fiakaran'ny "acide urique" vokatry ny sakafo matsiro fa tsy sakafo matavy matetika, izay afangaron'ny olona anefa samy hafa. Matetika dia olona efa nahazo taona, tia hena mena no mararin'ny gaotra. Ohatra : hen'omby... Fandaharana "Zava-misy" iarahana Docteur RAMANANDRAIBE, fandaharana atolotr'i Rasamimanana Marc.
Ny talenta dia azo trandrahina ho lasa asa fivelomana. Porofo azo tsapain-tanana ny fahaizana manao mofo "moschi", ohatra hafa koa ny asa-tanana tahaka ny ataon'i Ramatoakely Razaka Mahefa, izay mamorina haingo (pôketra, akanjo rafia...). Ny "moschi" dia mofo isan'ny mampiavaka ny Japone, ka ny tsaramaso no akora fototra amin'izy ity, misy karazany maro izy ity... Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Ilaina ny fanisana biôlôjika ho an'ny ala vao fantarina na tiana ho tantanina hamantarana ny toetran'ilay ala, tsy maintsy misy solontena avy amin'ny fanjakana miatrika eo, misy koa fanisana hanaovana fikarohana biby vaovao mbola tsy fantatra. Tany amin'ny taona 1905 no nisy fanisana biôlôjika voalohany izay teto Madagasikara. Inona no maha zava-dehibe ny fanisana biolojika? Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco