Anisany mbola vitsy mpahalala ny mahakasika ny fianarana sy ny tontolon'ny asa sôsialy. Tsara ny manamarika fa tsy asa soa ny asa sôsialy fa fanampiana ary ihany koa fikatsahana ny fampivoarana sy hampiroborobo ny fiovana eo amin'ny maha olona sy ny tontolo ara-tsôsialy, ny famahana ny olana mifandraika amin'ny fifandraisan'ny olombelona, ny fahaiza-manao ary koa ny fanafahana ny tsirairay na vondron'olona mba hanatsarana ny fiainany amin'ny ankapobeny.

Ankoatra izay ny mpanao asa soa mizara zavatra, manome zavatra fa tsy mijery hoe inona no vokatr'iny zavatra nataony iny avy eo, fa ny mpiasa sôsialy kosa dia mijery mandrakariva ny fiatraikan'ny asany teo amin'ilay olona. Arahintsika ny fanadihadiana niarahana tamin'ny tanora vitsivitsy mahakasika ny fahalalan'izy ireo sy ny fahalinany amin'izay asa sosialy izay. Fivampizarana loha-hevitra niarahana tamin'i Ramatoa kely Sarah, izay mpanabe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...