Anisany mbola vitsy mpahalala ny mahakasika ny fianarana sy ny tontolon'ny asa sôsialy. Tsara ny manamarika fa tsy asa soa ny asa sôsialy fa fanampiana ary ihany koa fikatsahana ny fampivoarana sy hampiroborobo ny fiovana eo amin'ny maha olona sy ny tontolo ara-tsôsialy, ny famahana ny olana mifandraika amin'ny fifandraisan'ny olombelona, ny fahaiza-manao ary koa ny fanafahana ny tsirairay na vondron'olona mba hanatsarana ny fiainany amin'ny ankapobeny.

Ankoatra izay ny mpanao asa soa mizara zavatra, manome zavatra fa tsy mijery hoe inona no vokatr'iny zavatra nataony iny avy eo, fa ny mpiasa sôsialy kosa dia mijery mandrakariva ny fiatraikan'ny asany teo amin'ilay olona. Arahintsika ny fanadihadiana niarahana tamin'ny tanora vitsivitsy mahakasika ny fahalalan'izy ireo sy ny fahalinany amin'izay asa sosialy izay. Fivampizarana loha-hevitra niarahana tamin'i Ramatoa kely Sarah, izay mpanabe.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...