Tsy heloka ny fahafahan'ny zazarano raha tsy mifanaraka amin'ny nokendrena ny fitazomana azy, noho ny fitsaboana tsy azo ialàna, mba ho fahasalaman'ny reny. Araka ny lalàm-pitondrantena izany. Vokatra ankolaky ny asa tsy fanalan-jaza ny fahafahan'ny zaza amin'izay. Tsy azo odian-tsy fantatra na atao ambin-javatra ny fitondrana vohoka vokatry ny fanaovana an-keriny sy ny zava-tsarotra mbamin'ny antony ambadika.
Tsy misy amin'ireny manome alalana tsy azo lavina, hanaovana ny ain'olona araka izay tiana, na dia eo am-panombohana aza.