Mikaikaiky noho ny tsy fahampian'ny rotsak'orana na ny fahataran'izany ny tantsaha amin'ny faritra maro tamin'ity taom-pambolena ity. Tsy ampy ho an'ny fanombohana ny famokarana ny rotsakorana amin'ny fiandohan'ny taom-pahavaratra tamin'ity taom-pambolena 2020 sy 2021 ity... 

Tany amin'ny volana oktobra tany ho any no nisy ny rotsak'orana voalohany saingy zara raha nisy izany ka maina ny andro nanomboka teo ka hatramin'izao. Ny tantsaha izay efa manana fahazarana, manomboka ny asa rehefa tonga ny volana oktobra na ny fiandohan'ny volana novambra. Faritra maro teto amin'ny nosy no nianjadian'izay fahamainan'ny andro  izay ka nahatonga ireo tantsaha nampaneno lakolosy ny faraparan'ny volana novambra fa hanamaloka ny taom-pamokarana ity tsy filatsahan'ny orana ity. Niakatra koa nefa ny vidim-bary... Nanaitra ny fanjakàna sy ny mpamatsy vola handray andraikitra ny tantsaha sy ny Vodron'ny tantsaha manoloana izay toetr'andro izay. Nanazava ny Fanjakàna tamin'ny alalan'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny jono sy ny teo anivon'ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...