Mbola mampiasa harina fandrehitra sy kitay amin’ny fahandroana sakafo ny 90% ny tokantrano malagasy eto amintsika. Mihazakazaka vokatr’izany ny velaran’ala ringana eto amintsika.
Araka ny tarehimarika, 7 tapitrisa m3 isan-taona ny fampiasana harina fandrehitra eto amintsika raha toa ka 21 tapitrisa m3 ho an’ny kitay ka ny mponina eny ambanivohitra ny ankamaroany. Ambony be io filana io. Sady manimba tontolo iainana no misy fiantraikany amin’ny fahasalamana ihany koa. Manampy trotraka ny fandorana ala. Miteraka ny fiovan’ny toetr’andro ny fihenan’ny ala miandalana noho izay fampiasana azy mihoapampana amin’ny angovo ampiasaina izay. Toa izany koa eo amin’ny famokarana ka voakasika avokoa na ny fambolena na ny fiompiana na ny jono.
Mahatsapa ny mahazava-dehibe izay fiarovana ny tontolo iainana izay ny tantsaha mivondrona ao amin’ny Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI ao amin’ny Kaominina Mahitsy sy ny SOAMITSINJO ao Antanetibe Mahazaza, samy ato amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Nanatanteraka fambolen-kazo iombonana na faobe tamin’ny tanin’ny mpikambana izy ireo ny 6 marsa sy ny 7 marsa 2025. Ho an’ny FISOI manokana, tao amin’ny Fokontany Bejofo, ao amin’ny Kaominina Mahitsy izy ireo no nanao izay fambolen-kazo izay ny 7 marsa. Ny 90%-n’ny mponina ao dia tantsaha mampiasa ny kitay ho angovo fandrehitra avokoa. Fambolen-kazo notohanan’ny FFF FAO tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa tamin’ny Réseau SOA.