Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.

Nanondrana tantely 93 taonina tamin’ny taona 2014 i Madagasikara. 87 taonina ho an’ny taona 2019. Nitombo 180 taonina indray tamin’ny taona 2021. Nidina indray nefa izany ny taona 2022. Tombanana ho 4.000 taonina ny vokatra tantely eto amintsika amin’ity taona 2024 ity hoy ny EDBM. Faritra 16 amin’ny 23 no azo iompiana tantely eto amintsika. Miankina amin’ny fisian’ny ala ny fepetra ahafahana manao izany.

Noho izay fanararaotra ny famokarana tantely izay, mampiroborobo ity lalam-pihariana ity amin’ireo fikambanana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Teknisiana sy tantsaha mpampita avy amin’ny fikambanana miisa roa eto Analamanga no nisitraka fiofanana momba ny fiompiana sy ny famokarana tantely ho an’ny teto amin’ny Faritra Analamanga ny volana febroary 2024. Fikambanana miisa telo kosa ho an’ny tany amin’ny Faritra Diana.

Nanohana ny fahafahan’ireo tantsaha ireo nisitraka izany fampiofanana izany ny FFF FAO. Tanjon’ny FFF ny ananganana zotram-pihariana sy rojom-pihariana azo avy amin’ny ala ka ny fiompiana tantely no omena sehatra manokana amin’ity taona ity, ahafahana manangana orinasa madinika eny ambanivohitra.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...