Manana ny anjara toerany amin’ny fihariana sy ny toekarena eny ambanivohitra ny fiompiana sy ny famokarana tantely. Manodidina 10.300 ny isan’ny mpiompy araka ny tarehimarika tamin’ny taona 2012, ary nisy zanatohatra tantely iray hetsy teo ho eo kosa nanerana an’i Madagasikara. Miovaova ny lanjan’ny vokatra nahondran’i Madagasikara.

Nanondrana tantely 93 taonina tamin’ny taona 2014 i Madagasikara. 87 taonina ho an’ny taona 2019. Nitombo 180 taonina indray tamin’ny taona 2021. Nidina indray nefa izany ny taona 2022. Tombanana ho 4.000 taonina ny vokatra tantely eto amintsika amin’ity taona 2024 ity hoy ny EDBM. Faritra 16 amin’ny 23 no azo iompiana tantely eto amintsika. Miankina amin’ny fisian’ny ala ny fepetra ahafahana manao izany.

Noho izay fanararaotra ny famokarana tantely izay, mampiroborobo ity lalam-pihariana ity amin’ireo fikambanana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Teknisiana sy tantsaha mpampita avy amin’ny fikambanana miisa roa eto Analamanga no nisitraka fiofanana momba ny fiompiana sy ny famokarana tantely ho an’ny teto amin’ny Faritra Analamanga ny volana febroary 2024. Fikambanana miisa telo kosa ho an’ny tany amin’ny Faritra Diana.

Nanohana ny fahafahan’ireo tantsaha ireo nisitraka izany fampiofanana izany ny FFF FAO. Tanjon’ny FFF ny ananganana zotram-pihariana sy rojom-pihariana azo avy amin’ny ala ka ny fiompiana tantely no omena sehatra manokana amin’ity taona ity, ahafahana manangana orinasa madinika eny ambanivohitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...