Tandindomin-doza ny fizakàna ny zo amin'ny tanim-pokonolona eto Madagasikara. Tsy mbola manana lalàna ampy miaro ny tanim-pokonolona mantsy ny Malagasy. Ny 50% amin'ny tany misy eran-tany nefa no sokajiana ho tanim-pokonolona hoy ny tompon'andraikitra ao amin'ny Rafitra ho fiarovana ny zo sy ny loharanon-karena na ny RRI (Right Ressources Initiatives) aty Afrika...

Ho fanatsaràna ny fiantohana ny zo fananan-tany ho an'ny Fokonolona manoloana ny ezaka atao momba ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fandaharan'asa fampandrosoana misy eto amin'ny firenena no tanjona tamin'ilay atrik'asa fanao isan-taona amatrahana drafitra ho an'ny RRI eto Madagasikara niarahana tamin'ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany "SIF" ny 4 oktobra 2024.

Nandray anjara ny solotena avy amin'ny ministera voakasika, ny firaisa-monim-pirenena, ny vondron'olona ifotony, ary ny SIF mazava ho azy. Ireo rehetra ireo izay samy manana anjara andraikitra lehibe amin'ny famaritana paik'ady ho amin'ny ho avy ary ny famolavolana ny drafitr'asa iombonana hiantohana ny zo ara-tany ho an'ny rafi-pokonolona.

Hitondra fanavaozana lehibe amin'ny fananan-tany eto Madagasikara ny fananantsika ny fandaharan'asam-pirenena vaovao ho an'ny fananan-tany. Fandaharan'asa ampiharina hatramin'ny taona 2030. Isan'ny tafiditra amin'io fandaharan'asam-pirenena io ny fiarovana ny karazana zon'olona rehetra, isan'izany ny zo fananan-tany ho an'ny fokonolona sy ny zo fananan-tany ho an'ireo olona efa niaina ela be teo ny razam-beny na ireo atao ho Autochtone amin'ny teny frantsay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...