Nahafahana nampiroborobo ny fiompiana trondro tao amin'ny Faritra Boeny sy tamin'ny Faritra maro teto amin'ny nosy ny fisian'ny Foibe Fampandrosoana ny Hazan-drano na ny CDA ao Mahajanga. Fampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana anaty rano ho an'ny zava-maniry sy ny biby no sehatr'asan'ny ivon-toerana...

Niasa nonomboka ny taona 1996, saingy ny fiompiana makamba no sehatr'asa nataony tamin'izany fa nanomboka ny taona 2011 kosa no nampiroborobo ny fiompiana tilapia. Mamokatra sy manaparitaka ny trondro tilapia ho an'ny mpiompy amin'ny Faritra maro ihany koa. Ny CDA ihany no manana ny tilapia Nilotica mbola tsy mifangaro amin'ny karazana hafa hoy Ramatoa Nivo Eulalie, Biolojista ao amin'ny Foibe Fampandrosoana ny hazan-drano na ny CDA.

Efa misy ny karazan-trondro andalan'ny tsy fahitana azy intsony ary efa sarotra ny mitady azy eto Madagasikara araka ny fanazavan-dRamatoa Nivo Eulalie, ka anjaran'ny Foibe Fampandrosoana ny Fiompiana Hazan-drano no miaro sy mampitombo azy ireny.

Azo atao tsara ny mampitombo ny trondro jifain'ny Malagasy. Mila mamokatra zana-trondro misimisy kokoa nefa ny mpisehatra aminy. Tsy maharaka ny tinadin'ny mpiompy mantsy ny zana-trondro vokarin'ny mpamokatra amin'ny fotoana mahamety ny fiompiana trondro. Ho an'ny Foibe Fampiroboroboana ny Hazan-drano ao Mahajanga, mamokatra zana-trondro mandavan-taona mihoatra ny 2 tapitrisa izy ireo. Tsy ho an'ny mpiompy trondro ao amin'ny Faritra Boeny ihany no handefasana ny vokatra fa maka ny zana-trondro ao amin'izy ireo ihany koa ny mpamokatra eto amin'ny Faritra Analamanga.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...