Miezaka manatratra ny fanamby napetraka hanofana olona iray tapitrisa mandritra ny 5 taona ahahafehy ny fomba fambolena Pfumvudza ny ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny ONG PPC Madagascar. Ahitam-pahombiazana mantsy ny vokatra azo tao anatin'ny taom-pambolena iray raha y zava-misy ao amin'ny vala tahaka tety Ivato.

1.500 eo ho eo ireo olona nahazo fiofanana nandritra ny 6 volana. Mamolavola mpampiofana 400 mahery ampiofana an'ireo liana amin'ity fomba fambolena ity amin'ny faritra maro samihafa ny tompon'andraikitra. Nanomboka amin'ity volana jolay ity ny fampiofanana ka mandeha andiany izy ireo. Mandritra ny 5 andro ny fanofanana ary maimaim-poana.

Misy ny mason-tsivana ahafahana mandray anjara amin'izany hoy Andriamatoa Mamy Razanakolona, mpampiofana sy mpampafantatra ny momba ny Pfumvudza. Ankohatra ny fetran-taona misy koa ny mason-tsivana hafa amin'izao fiofanana ho mpanofana momba ny Pfumvudza izao, dia ny fananana diplaoma bakalôrea.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...