Nahazo tohana ara-pitaovana ampiroboroboana ny fiompiana sy ny famokarana tantely ao aminy ireo tantsaha nisitraka fiofanana ao amin'ny Fikambanana Filamatra Soa Iombonana na ny FISOI ao amin'ny Kaominina Mahintsy sy ny Soa Mitsinjo ao amin'ny Kaominina Antanetibe-Mahazaza ato amin'ny distrikan'Ambohidratrimo...

Natao tao amin'ny kaominina Antanetibe-Mahazaza, androany ny fizaràna ireo tranon-tantely ho an'ny mpisitraka ary tany amin'ny toerana fiompiana kosa no nampidirana ny andian-tantely amokatra ny mamin-tantely. Zava-dehibe ho an'ny kaominina izao tantsoroka ho an'ny tantsaha ao aminy izao hoy Andriamatoa Rakotomanjato Lala Séraphin Ben'ny tanàna lefitra.

Ny avy ao amin'ny Ilo Raitra Apiculteur no namokatra ny fitaovana natolotra ny tantsaha mpiompy tantely ao amin'ny FISOI sy ny Soamitsinjo. Vonona hampiroborobo ny fiompiana sy famokarana tantely ireo mpahazo tombotsoa hoy Ramatoa Julie sy Andriamatoa Miandry.

Tamin'ny alalan'ny tetik'asa iarahan'ny Réseau SOA sy ny FFF FAO no nahafahana nampiofana sy namatsiana fitaovana an'ireo tantsaha hisehatra amin'ny fiompiana tantely ireo. Tanjon'ny fiaraha-miasa ny ananganana zotram-pihariana sy rojom-pihariana azo avy amin'ny ala, ka ny fiompiana tantely no nomena sehatra manokana tamin'ity taona ity, mba ahafahana manangana orinasa madinika eny ambanivohitra.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...