Mbola malalaka ny lalam-barotra any ivelany ho an'ny vokatra tantely. Manana fiaraha-miasa ahafahana manondrana vokatra hatrany amin'ny 18 taonina isan-taona ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly. Lalam-pihariana atao laharam-pahamehana ao amin'ilay tetik'asa andiany farany iarahan'ny FFF FAO na ny Farm and Forest Facility sy ny Tranoben'ny Tantsaha ny fiompiana tantely.

 

Mikarakara fifaninanana andraisana mpandraharaha mpiompy tantely ao amin'ny vovonam-pikambanana miisa valo mandrafitra azy na ny OPFA ny Tranoben'ny Tantsaha ahafahana mamolavola azy ireo ho mpandraharaha matihanina amin'ny lalam-pihariana ifotorany. Ny telo mendrika indrindra amin'ireo no hahazo tohana ara-pitaovana araka ny fanazavan'ny filoha nasiônalin'ny Tranoben'ny Tantsaha Razafimbololona Ageline.

Mifototra manokana amin'ny fampiroboroboana ny rojo-pihariana avy amin'ny ala ny tantsaha Mpamokatra Nasiônaly sy ny FAO miasa amin'ny alalan'ny FFF na Farm and Forest Facility. Nanazava ny tsara ho fantatra momba ity tetik'asa ity teny Nanisana ny 13 Febroary ny mpitantana sy ireo teknisiana ao amin'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra.

Tanjon'ny tetik'asa ny ahafahan'ny mpamokatra miatrika ny fiovan'ny toetr'andro sy hanatsara ny fiveloman'ireo rafitra mpamokatra misehatra amin'ny ala sy ara-pambolena eto amintsika. Tetik'asa hifarana amin'ny taona 2025. Faritra efatra eto amin'ny nosy no iasany : amin'ny faritr'i Diana, Sofia, Analamanga, ary Atsinanana.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...