Miabo ny voka-bary azon'ny PAPRIZ fahatelo nandritra ny taom-pambolena farany teo. Vokatra mitondra mankany amin'ny fitomboana sy ny firoboroboan'ny voka-bary eto Madagasikara. Maherin'ny5 taonina isaky ny Hektara ny salan'isan'ny vokatra niakatra ho an'ireo Faritra 11 teo aloha iasan'ny tetik'asa. Niampy 50 mahery ny isan'ny lemaka voatondraka niasana. Maherin'ny 37.000 ny tantsaha niofana...

Isan'ny nivoitra ireo nandritra ny fivoriana fahatelon'ny kômity mandrindra ny tetik'asa, nanolorana ny tatitry ny asa natao tamin'ny taom-pambolena lasa teo, sy ny fanolorana ny fanavaozana ny lasitry ny asa atao amin'ny manaraka.

Maro ny ezaka natao nahafahana nahazo ireo vokatra ireo. Notohanan'ny Papriz ny rojom-pihariana vary tamin'ireo toerana natao ho môdely. Fikambanana mpampiasa rano 100 mahery no nahazo fanohanana. Ankohatr'izay ny kaoperativa miisa 17 araka ny fanazavan'ny sekretera jeneralin'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana, Fanja Raharinomena. Napetraka ihany koa ny paik'ady ho an'ny fanondranana vary amin'ny fotoana ho avy. Fanararaotra ara-barotra vaovao eo amin'ny tsena iraisam-pirenena izany ary manamafy ihany koa ny toeran'i Madagasikara amin'ny maha mpamoka-bary azy.

[Miara-dàlana] Zoma 29 aogositra 2025

• Olon-dehibe mijoro amin'ny finoana sy fanantenana Kristianina, hampanjaka ny fahamarinana sy ny fitiavana eo amin'ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana. Io teny manentana ny Andro Nasionaly ho an'ny Olon-dehibe andiany faharoa io no nantintranterin'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona nandritra ny fanokafana izany tany amin'ny Diosezin'i Morondava... • Samy ao anatin'ny fanatanterahana ny Andron'ny Tanora isan-diosezy ihany koa ny ao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa sy Port-Bergé, izay hifarana ny alahady izao...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...