Ambohim-pihaonan'ny mpamokatra eny ambanivohitra sy ny mpitsidika, mpanjifa eto an-drenivohitra ny feny amin'ny MPE Nanisana amin'ity herinandro ity. Tanterahana eny an-toerana nanomboka ny alakamisy 28 septambra hatramin'ny alahady 01 ôktôbra 2023 ny Tsenaben'ny Fiompiana, ny Jono ary ny Fambolena andiany faha-15...

Mpamokatra miparitaka amin'ny trano heva 130 isa no handray anjara ary mpitsidika 22.000 isa no handrasan'ny mpikarakara dia ny MPE, mandritra ireo efatr'andro ireo. Hisy koa mandritra izany ny fampirantiana, ny varotra ho an'ireo vokatry ny mpandray anjara manerana ny nosy. Misy ny fampihaonana ireo mpamokatra sy ny mpisantatra tetik'asa, ny lohabary an-dasy miompana amin'ny loha-hevitra momba ireo lalam-pihariana hita eny Nanisana.

Ho fanandratana ny fampandrosoana ny lalam-pihariana Fiompiana eto Madagasikara no tanjona amin'ity tsenaben'ny Fiompiana sy ny Jono ary ny Fambolena na ny FEPA andiany faha-15 hanomboka ny alakamisy izao ity hoy ny talen'ny Malagasy Professionnels de l'Elevage na ny MPE, Rakotondrahanta Solofo.

Omena lanja manokana ny mpianatra. Maimaim-poana mantsy ny fidirana ho azy ireo. Tanjona kendrena amin'izany ny hanabeazana sahady ny ankizy sy ny zatovo fa azo atao tsara ny manao asa fivelomana ny sehatr'asa famokarana eny ambanivohitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...