Hifarana amin'ity taona 2023 ity ny fandaharan'asa FORMAPROD. Fitaovana voalohany nafahana nanavao ny Fampiofanana Ara-pambolena sy ny eny Ambanivohitra na ny FAR teo Madagasikara ity fandraharan'asa ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ity. Miabo ny sehatr'asa nataon'ny fandaharan'asa FORMAPROD tao anatin'ny folo taona niasany tato amin'ny Faritra Analamanga hoy ny mpandrindram-pirenena, Rakotonaivo Harilala...

Nanampy ny Faritra tamin'ny fampivoarana ny famokarana teny ambanivohitra, indrindra fa ho an'ireo tanora notohanany tamin'ny alalan'ny fanofanana ny fandaharan'asa. Nivoitra izany ny talata 19 septambra 2023 nandritra ny atrik'asa nanaovana jery todika ny asa vita nandritra izay folo taona nisiany ary nanakatonana ny sehatr'asa ho an'ny teto Analamanga. Atrik'asa natao tao amin'ny Kaominina ambanivohitra Mahitsy ato amin'ny Distrika Ambohidratrimo.

Nandray anjara ireo mpisehatra rehetra nampiodina ny fandaharan'asa ary indrindra ireo mpahazo tombontsoa. Fandaharan'asa ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ny FORMAPROD, namatsy vola kosa ny Tahiry Iraisam-pirenena ho an'ny Fampandrosoana ny Fambolena na ny FIDA.

Nanokatra tamin'ny fomba ôfisialy ny atri'asa nanaovana tombana sy nanakatonana tamin'nyfomba ôfisialy ny sehatr'asan'ny FORMAPROD Faritra Analamanga, nisolo tena ny Governora, Ramatoa Ratsiharovala Mbola, sekretera Jeneraly.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...