Namolavola mari-pamantarana Label Soa Far ho an'ireo Foibem-panofanana mivondrona ao aminy ny tambazotra FARMADA. Miisa 13 ny ivon-toerana efa nisitraka izany. Nitondra anjara biriky lehibe amin'ny fanatsaràna ny kalitaom-pampiofanana atolotra ny tanora sy ny tantsaha hanabe voa ny famokarana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra teto amintsika ny Tambazotra FARMADA. Marika entina manavaka ny ivon-toeram-panofanana, izay mitondra fanatsaràna sy manavao ny rafitra ao aminy ny Label Soa Far...

 Natokana ho an'ireo ivon-toeram-panofanana manara-drafitra ary manolotra lasim-panofanana sy diplaoma mifanaraka amin'ny fahaiza-manao ity mari-pamantarana ity.

Misy ny dingana arahana amin'ny fahazoan'ny foibem-panofanana mivondrona ao amin'ny FARMADA ny Label Soa Far. Tsy maintsy manana ny fankatoavana hisokatra sy fankatoavana ny lasi-panofanana ilay Foibem-panofanana vao afaka misitraka ny Label Soa Far hoy Ramatoa Rahelisoa Bakoly Danielle, tompon'andraikitra ao amin'ny ministeran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa.

Ivon-toerana 13 ao amin'ny Tambazotra FARMADA no efa notolorana sy nahazo ny Label Soa Far. Isan'izany ny ISTRCE, ivon-toerana ambony miorina any Fenoarivo-Atsinanana. Misy toe-tsaina takiana ho an'ny ivon-toerana aorian'ny fahazoana ny Label Soa Far hoy Ramatoa Rahelisoa Bakoly Danielle, lehiben'ny sampan-draharaha momba ny fenitra sy ny zava-bita ao amin'ny ministeran'ny fampianarana ara-teknika sy ny fanofanana arak'asa.

Ampiandrasana ny fisitrahana ny mari-pamantarana Label Soa Far ny foibem-panofanana miisa 26 ao amin'ny tambazotra FARMADA. Andalam-pametrahana izany ny tompon'andraikitra ankehitriny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...