Fikambanana mitondra ny anjara birikiny amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra ny "Tsara Voatra". Andriamatoa Mamy Razanakolona no filohan'ny fikambanana. Tsy zoviana amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga amin'ny sehatr'asa fampandrosoana izay.

Fikambanana niorina vao haingana, ny fikambanana "Tsara Voatra", manana vina hampandroso ny eny ifotony, amin'ny alalan'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fandraharahana madinika mikendry ny fahaleovan-tenan'ny tantsaha sy ny fitomboan'ny harin-karena. Tsy ambanin-javatra ny fiatsaran'ny tontolo manodidina azy, ny fifandraisana amin'ny fiaraha-monina ary ny tontolo iainana. Amin'ny alalan'ny fampiofanana eny ifotony indrindra fa ny tantsaha no anatanterahana izany vina izany...

"Fanabeazana manova tontolo iainana" niompana tamin'izay loha-hevitra izay ny lohabary an-dasy voalohany nokarakarain'ny fikambanana "Tsara Voatra". Namelabelatra ny loha-hevitra Andriamatoa Faly Rafieferana, manam-pahaizana amin'ny hay tarika momba ny fanabeazana miabo. Velan-kevitra natao teny amin'ny kolejy Masina Misely Amparibe ny 25 marsa lasa teo, nanasana an'ireo mpiantsehatra amin'ny tontolo ambanivohitra.

Fahombiazana ny azo hoy Andriamatoa Mamy Razanakolona. Liana tamin'ny fanazavan-kevitra ireo tanora avy amin'ny fikambanana samihafa indrindra fa ireo avy amin'ny skoto.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...