Hatao ny faha 26 nôvambra izao indray ny famafazana na ny fafy saraka amin'ity taom-pambolena 2022-2023 ity, eny Itaosy, distrika Antananarivo-Atsimondrano. Fafy saraka na ketsa Saraka teknika fambolem-bary ahazoana vokatra tsara. 

Manamboninahitra ambony misotro ronono ny jeneraly Rabemanantsoa Robert, nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro, liana amin'ny voly vary.

Honahona tany am-piandohana no nofolahany ho lasa tanimbary ka nampiaiky ireo izay nahita azy ny voka-bariny eny amin'ny distrika Antananarivo-Atsimondrano iny. Vao mainka valalanina ihany koa ny tantsaha manodidina raha nahita ny voka-bariny tamin'ity taona ity na teo aza ny olana ara-drano nahazo an'Antananarivo-Atsimondrano, distrika tena nitondra faisana tamin'ny tsy fisian'ny rano nentiny nanondrahana ny tanimbary noho ny fahataran'ny rotsak'orana teto Analamanga.

Noporofoin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert fa tsy ny fiovan'ny toetr'andro akory no ho sakana sy olana tsy hamokarana, fa ilaina dia ilaina ny saina tia karokaroka hamolahana ny haitaom-pamokarana mba afahana mahazo vokatra tsara. Nampihariny ny fikarohana noketrehany dia ny "ketsa saraka". Teknika azony an-tsaina noho ny fiaraha-miasa sy ny fifampiresahana tamin'i Mompera Henry de Laulanier, saingy nohatsaraina taty aoriana, ary nampihariny.

10 taonina/ha farafahakeliny ny voka-barin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert. Mitaky fikirizana sy anokanana fotoana anefa ny fahazoana izany vokatra izany hoy Jeneraly Rabemanantsoa Robert.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...