Tsy azo tsinontsinoavina ny anjara biriky entin'ny fampiasana fitaovana nohatsaraina mifanaraka amin'ny filan'ny tantsaha ary mifanaraka ihany koa amin'ny fivoaran'ny teknika misy ankehitriny. Hirika mampitombo sy manatsara ny kalitaon'ny vokatra amin'ny fambolena... Dingana sy ezaka maro anefa no nolalovan'ny Malagasy mamokatra ireny fitaovana ireny.

Maro ny Malagasy no mamokatra ireny fitaovam-pamokarana ireny ankehitriny, na tantsaha tsotra mpanao asa tanana, na orinasa efa manana rafitra ahafahana miasa amin'izany. Takatry ny fahefa-mividin'ny Malagasy tsara ny fitaovana vokarin'izy ireny manoloana ny krizy eran-tany, ka mampiakatra ny vidin'ny fitaovana avy any ivelany, nefa ho an'ny vokatra eto an-toerana, afaka miatrika tsara ny filan'ny tantsaha.

Maro ny Malagasy no misehatra amin'ny famokarana, isan'izany ny tantsaha iray mpamokatra, mpampindrana fitaovam-pamokarana ao amin'ny Kaominina Mahasolo, Faritra Bongolava. Isan'ny mamokatra milina ahafahana manetsa ihany koa ny Afafi na any Andrin'ny Fambolena sy Fiompiana ao Fianarantsoa. Tsara sedra ny milina ka maro ny tantsaha afa-po tamin'ny fampiasana azy, hoy Andriamatoa Rakotoniaina Michel, Mpiandraikitra ny tetikasa ao amin'ny orinasa.

Nifofotra, nikaroka ary namokatra fitaovam-pamokarana sy fanodinam-bokatra ihany koa Andriamatoa Andriamilato Rakotomala Isaia. Izy indray dia nanangana ny orinasany AST ety Ivato, efa ho 30 taona latsaka eo ho eo izao.

Fehiny, maro ny Malagasy no efa mirona amin'ny famokarana fitaovam-pamokarana, hanampiana ny tantsaha. Niainga tamin'ny fikarohana ny filan'ny Malagasy no nahatonga azy ireo hisehatra amin'izany.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...