Tanora efatra hetsy isan-taona no tonga eo amin'ny tsenan'ny asa, eto Madagasikara, araka ny tarehimarika misy. Tsy afaka mandray azy ireo anefa ny orinasa misy eto amintsika noho ny tontolo ara-toekarena. Ny sehatr'asa eny ambanivohitra no mamaha olana amin'izay tsy fahampian'ny asa atolotra izany. Mitaky fahaiza-mamokatra izany, tsy ho tratra raha tsy amin'ny alalan'ny fiofanana.

Mitondra ny anjara birikiny amin'izay fanatsarana ny fampiofanana izay ny tambazotran'ireo ivon-toerana misahana ny fanofanana ara-pamokarana eny ambanivohitra na ny FARMADA. Rafitra ivondronan'ireo ivon-toerana efa ho zato mahery.

Ivon-toerana misahana ny fanofanana ara-pamokarana eny ambanivohitra am-polony no hisitraka tombontsoa mivantana amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fanofanana ; ary tantsaha dimy alina mahery no homena lanja manokana ny traik'efa ananany. Ireo no vokatra andrasana amin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa sy ny tambazotra FARMADA. Nanamafy ny fiaraha-miasa efa nisy, hanatsarana ny kalitaon'ny fanofana ara-pamokarana eny ambanivohitra eto amintsika ny andaniny sy ny ankilany. Niara-nanao sonia ny fifanarahana momba izany, ny 12 avrily 2022, ny Minisitra Vavitsara Rahantaniriana Gabriela sy ny Filoha Nasionalin'ny FARMADA, Serge Merison.

Nambaran-dRamatoa Minisitra fa tombontsoan'ny tanora sy ny mpamokatra eny ambanivohitra ny fifanarahana natao, hisy ny lasim-panofanana iombonana ho an'ny ivon-toerana, izay hankatoavin'ny Minsitera.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...