Nodinihana nandritry ny telo andro teto an-drenivohitra teny amin'ny CNEAGR Nanisana ny fanavaozana ny paik'adim-pirenena mahakasika ny masomboly, ny lalàna mifehy ny famokarana masomboly, ary ny famelomana indray ny Fikambanana Malagasy ho fampiroboroboana ny masomboly na ny AMPROSEM mba hananany aingavao...

Atrikasa fikaonandoham-pirenena momba ny masomboly nokarakarain'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana niaraka tamin'ireo mpiara-miombon'antoka ara-bola sy ara-teknika ary ny mpisehatra rehetra amin'ny masomboly ity natao teto an-drenivohitra ity.

Mbola marefo ny famokarana masomboly tsara kalitao eto amintsika. Manodidina ny 2.000 Taonina ny vokatra masomboly tamin'ny taona 2021, tanjona ny hamokatra 20.000 taonina anatin'ny dimy taona. Mitaky fanentanana ny tantsaha mpamokatra mba hisehatra ao anatin'izany famokarana masomboly izany. Hamafisina ny fikarohana, famokarana, fanapariahana araka ny fanazavan'ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy.

Tsy ny sehatry ny famokaram-bary no dinihana fa ireo voly hafa vokarina betsaka ahafahana mizaka tena, amin'ny alalan'ny fampiasàna masomboly nohatsaraina : toy ny  mangahazo, ny katsaka, ny voamaina, ny voankazo sy ny legioma. Toa izany koa ny voly vilona hampiroboroboana ny fiompiana, indrindra ny fiompiana ombivavy be ronono tsara taranaka.

Hatolotra ny antenimera mpanao lalàna mba hodinihan'izy ireo sy ho laniana ny rijan-teny novolavolaina nandritra ny atrik'asa nandinihana ny fanatsaràna lalàna momba ny masomboly natao teto an-drenivohitra ity.

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...