Mampitombo ny fahalalany sy ny traikefany hanatsaràna ny seha-pamokarana ilofosany, ao amin'ny Ivon-toeram-piofanana momba ny fampandrosoana sy ny fahavitan-tena eny amin'ny tontolo ambanivohitra na ny CEDAR Ezaka Maintso, ireo tantsaha ao amin'ny kaominina Ivato sy Kaominina Talatamaty ato amin'ny distrika Ambohidratrimo.

Fiofanana nanomboka ny faha 14-ny volana marsa teo ary mandritra ny iray volana tanterahana etsy Mandrosoa, ka tantsaha 80 no mandray anjara, fiaraha-miasa amin'ny Tahiry Malagasy ho an'ny fanofanana arak'asa na ny FMFP. Fiofanana miisa telo no hatao dia ny famokarana ny zezika biolojika, ny fiompiana bitro ary ny fahaiza-mitarika, ka 20 ora avy ny fampiofanana tsirairay amin'izany, hoy Andriamatoa Andrianjafimahatradraibe Habby Arnaud teknisiana Socio-Organisateur ao amin'ny CEDAR Ezaka Maintso.

Tsy ho nofinofy ny fampitomboam-barotra manaraka ny fenitra ara-pahasalamana raha samy mampihatra ny fambolena nohatsaraina ara-biolojia avokoa ny mpamokatra. Naharesy lahatra an'ireo tantsaha mandray anjara ny fampiofanana karakarain'ny CEDAR Ezaka Maintso, etsy Fitroafana-Mandrosoa. Zava-baovao eo amin'ny seha-pamokarana no atolotra, mbola tsy hita sy nampiharin'izy ireo tamin'ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana.

Zava-dehibe ho an'ny Kaominina Talatamaty ny fampiofanana ny tantsaha ao aminy mba hisian'ny fampivoarana ny tontolo ambanivohitra hoy Andriamatoa Randrianarivony Solo Bruno Marie, lefitra voalohan'ny Ben'ny Tanàna.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...