Manohy ny sehatr'asa fampivoarana ny tanora tantsaha indrindra ireo tanora vehivavy eny amin'ny tontolo ambanivohitra ho lasa matihanina amin'ny seha-pihariana ataony ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny "réseau SOA". Miara-dalana amin'izany ny fampiofanana ny tanora ho lasa tompon'andraikitra eny amin'ny fikambanan'ny tantsaha.

Tetik'asa iarahan'ny tambazotra SOA amin'ny fandaharan'asa FANAINGA, tanterahana amin'ny faritra miisa roa dia ny eto Analamanga sy ny any Mahatsiatra-Ambony ity tetik'asa ity. Isan'ny sehatra iasan'ny tambazotra SOA moa ny fampivoarana ny tanora tantsaha amin'ny alalan'ny fampiofanana azy ireo ho lasa tompon'andraikitra eny amin'ny fikambanana tantsaha hoy Andriamatoa Rakotonirina Tovoniaina Jocel, tompon'andraikitra misahana ny tanora ao amin'ny tambazotra SOA.

Fikambanan'ny tantsaha manerana an'i Madagasikara ny tambazotra SOA. 23 ny fikambanamben'ny tantsaha mivondrona ao aminy ankehitriny, ivondronan'ny fianakaviana tantsaha 23.000 miparitaka amin'ny faritra miisa 11 eto amin'ny nosy. Manohana ireo fikambanan'ny tantsaha miaro ny zon'ny tantsaha sy ny famokarana tantanam-pianakaviana ny tambazotra SOA, mampiofana ireo mpikambana anatin'ny fikambanan'ny tantsaha indrindra ny tompon'andraikitra sy ny teknisiana ary ireo tanora. Mampiroborobo ny fikambanana amin'ny alalan'ny fanentanana sy  fampidirana mpikambana vaovao koa ny Tambazotra...

18 taona tamin'ny sehatr'asa fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny Tambazotra SOA. An-jatony maro ireo tanora voahofana amin'ny sehatr'asa famokarana ary efa nahazo fanohanana nanomboka tamin'ny taona 2015 nanaovana izany sehatr'asa fampivoarana ny tanora izany.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...