Hifarana ny taona, ora vitsy sisa dia hivalona ny taona 2021, efa ao anatin'ny taona vaovao 2022 indray isika amin'ny herin'ny anio. Tamberina fohy ireo zava-nisy nisongadina nanamarika ity taona 2021 ity teo amin'ny sehatry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra no hamaranana ny fandaharana amin'ity taona ity. Fandaharana "Hirika" tontosain'Andriamatoa Rakotoarison James Daniel, mpanao gazety eto anivon'ny Radio Don Bosco.

Ankasitrahana ianareo mpihaino avy amin'ny lafy valon'ny nosy nanaraka ny fandaharana sy ianareo niantso an-telefaonina nangataka fanazavana tamin'ny fandaharana natolotra teto. Mankasitraka ihany koa an'ireo mpisera nandray anjara tato amin'ny fandaharana nandritra ny taona 2021.

Fikatsahana ny fampandrosoana, fizaràna ny tsara ho fantatra ho an'ireo mpihainon'ny "Hirika" no nataonareo. Mankasitraka mankatelina tamin'ny anjara biriky lehibe nentinareo nahafahana nahatontosa ny fandaharana nandritra ny taona isaky ny alakamisy hariva ; fandaharana niisa 50 no nandeha teto. Mirary antsika rehetra hahatratra ny taona 2022 ny "Hirika".

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...