Ny "andropause" dia fihenan'ny ely "testostérone" eo amin'ny lehilahy izay efa zokiolona. Ny andropause dia sady tsy tranga mitranga ara-potoana ary tsy voatery miaraka amin'ny soritr'aretina. Mihena tsikelikely ny taha sy ny kalitaon'ny testosterone. Ny hatavizana dia maha aingana ny fisehon'ny "andropause". Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Ny olombelona, raha vao teraka dia efa miankin-doha amin'ny olona hafa fa araka ny mahalehibe dia mahaleo tena tsikelikely ; amin'ny faha-20 taona dia efa mahaleo tena, tompon'ny safidy. Ilaina hatrany anefa ny fiombonana sy fifamenoana amin'ny hafa mba ahafahana manohy ny fanorenana tokantrano. Mila mifankahalala ny olona roa hanorina tokantrano mba tsy ho tampoka ny fisehon-javatra maro lafy ao an-tokantrano (fanabeazana, vina...). Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Eo amin'ny faha-50 taona no manomboka miditra amin'ny digam-piainana maha zokiolona ny olombelona. Misy ireo trangan'aretina izay tsy azo hamaritana velively ny maha zokiolona, satria ny maro amin'izy ireny matetika dia miseho noho ny fomba nitondran'ny tsirairay ny fiainany.

Ny fampandrosoana dia mivelatra amin'ny sehatra maro, miainga amin'ny tsirairay, ny faritra, ny firenena. Ireo fototry ny fampandrosoana afahana mivoatra : ara-batana (hery sy fahasalamana), ara-tsaina, ara-po. Manana zo hiato kely hanao jeri-todika, handinika ny tokony hatao ho fampandrosoana ny tena sy ny ankohonana. Ny vehivavy dia afaka mitarika amin'ny fampandrosoana sy efa zatra mindrindra asa...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...