Nidiran'ny fanahy ratsy tao an-tranony i Liviah ary namono nahafaty an'i Edgar sy Odile ray aman-dreniny. Nitolo-batana tany amin'ny pôlisy i Liviah ary nataon'ny Inspecteur Fidèle famotorana. Niara-niasa i Inspecteur Fidèle sy i Vonjy ary niezaka nanao izay naha afaka an'i Liviah tany am-ponja. Voaporofo fa i Rasanjy no fototry ny fanahy ratsy tao amin'ny villa an'i Liviah ary tafavoaka ny fonja izy. Namangy ny fasan-dray aman-dreniny i Liviah sy i Vonjy ary nanao voady teny am-pasana fa hifankatia mandrakizay...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 2 desambra 2024

  • Nosantarina tao amin'ny Distrikan'Ankilikoaka ny fidinana ifotony amin'ny fampiofanana ny katesista, ao amin'ny Diôsezin'i Toliara...
  • Asandrato ny lohanareo ary manana fo velona sy mazava, io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, talohan'ny vavaka Angelus ny 1 desambra 2024...
  • Niangavy ireo mpanao pôlitika Libanais rehetra ny Papa François, mba hifidianan'izy ireo Filohan'ny Repoblika faran'izay haingana indrindra...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...