Ny "KAPOBAVA" dia literatiora, hai-soratra vokatry ny famoronana nataon'ny Poeta Ulrick Jacques. Literatiora miendrika poezia na tononkalo, mifono hanatra ny kapobava. Ny teny hoe "KAPOBAVA " dia fitambaran'ny "KAPOKA" sy "VAVA", araka izany dia fanitsiana, fananarana, fitenenana izay tsy nety no isan'ireo tara-kevitra hita ao anatiny ; toy ny hoe raha misy olona nandika fitsipika, Dina, lalàn'ny fiaraha-monina na lamina hafa. Literatiora noforonina niainga tamin'ny fomba fiainan'ireo foko Betsimisaraka izy ity, dia ny fanaovana kabary ao an-Tranobe rehefa misy zava-dehibe ilana lamina eo amin'ny fiaraha-monina...