Ny pôezia  dia avy amin'ny teny grika hoe " poiêsis" midika hoe "famoronana". Ny endriky ny isan'an-dalana no mampiavaka ny "pôezia" satria manara-drafitra ; mety ho tsoatokana. Natamin'ny taona 1700-1770 no efa nisy mpanoratra atao hoe RAMANAGNATO. Misy ifandraisany ny "pôezia" sy ny "Slam" satria ity farany dia "pôezia" no niantombohany, manana endrika tsy miolaka, miendrika fifaninana, misy fitsipika. Ny tononkalo sy ny pôezia dia iray ihany, azo lazaina ihany koa hoe "soramonina"...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...