Ny kilalao dia ireo fitaovana entina milalao. Ny lalao dia fitaizana sy fanabeazana. Anatin'ny lalao no hatarafana ny fifanorona, fifampitaizana, ary manefy ny olona hahay hitondra tena ary hanitarana fahalalana. Ny tanjona amin'ny lalao iray dia fitantanana ny olona iray haleo-tena. Ny lalao dia malagasy dia efa nisy niampita ranomasina, izany hoe efa lasa lalao iraisam-pirenena dia ny fanorona sy ny fampitaha. Ny lalao fifaninanana dia harenesana foto-teny hoe "inana" izay midika fihezahana hanao mihoatra ny vitan'ny hafa na ny tena teo aloha, mikendry hai-zatra...